Cyanthillium cinereum

Ny Cyanthillium cinereum dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny Asteraceae. Ity zavamaniry ity dia ahitra maniry isan-taona izay manana halava hatramin' ny 120 sm[1]. Mamokatra vondrom-bony fisaka izy io. Maitso sy manjelatra ny raviny, ary fotsy na volomparasy ny voniny. Nantsoina hoe Vernonia cinerea izy io taloha, saingy nisy ny fanavaozana momba ny taksônômia, taloha kelin' ny fiandohan' ny taona 2014. Mety hifangaro amin' ny Emilia sonchifolia ity karazana ity, fa ny felam-bonin' ity farany dia lava kokoa ary miendrika vazy.
Teratany aty Afrika Trôpikaly sy any Azia Trôpikaly (India, Srilanka, Indôsina, Indônezia, sns) io vondrona io ary lasa voajanahary any Aostralia, any Mesôamerika, Amerika Atsimo Tropikaly,any amin'ny faritra Karaiba, ary any Etazonia any Florida[2][3][4][5][6][7][1].
Ny zana-karazany Vernonia cinerea subsp.vialis (DC.), izay ampiasaina amin' ny fitsaboana ny aretin' ny maso, dia atao amin' ny teny malagasy hoe ramitsiry[8]. Atao hoe poovamkurunnal na poovamkurunnila izy amin' ny teny malaiamama ary monara kudumbiya amin' ny teny singaley. Antsoina koa hoe sadevi izy io[9].

Ity zavamaniry ity dia fanao fanafody ao amin' ny fitsaboana Ayurveda. Ny fampiasana ity zavamaniry ity dia manampy amin' ny fanamafisana ny hery fiarovana ao amin' ny vatana. Any amin' ny faritra mafana sy mando no tena ambolena azy. Ny Cyanthillium cinereum dia nampiasaina tamin' ny fampitsaharana ny fifohana sigara any Tailandy sy any amin' ny firenena hafa, ary ho fanamaivanana ny sery[10].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 "Cyanthillium cinereum (Linnaeus) H. Robinson", Flora of North America
- ↑ "Open Source for Weed Assessment in Lowland Paddy Fields".
- ↑ "Cyanthillium cinereum (L.) H.Rob Archived Novambra 28, 2023 at the Wayback Machine". Australian Plant Name Index (APNI), IBIS database. Centre for Plant Biodiversity Research, Australian Government.
- ↑ "Cyanthillium cinereum (L.) H.Rob". Atlas of Living Australia.
- ↑ Funk, V. A., P. E. Berry, S. Alexander, T. H. Hollowell & C. L. Kelloff. 2007. Checklist of the Plants of the Guiana Shield (Venezuela: Amazonas, Bolivar, Delta Amacuro; Guyana, Surinam, French Guiana). Contributions from the United States National Herbarium 55: 1–584
- ↑ Carnevali, G., J. L. Tapia-Muñoz, R. Duno de Stefano & I. M. Ramírez Morillo. 2010. Flora Ilustrada de la Peninsula Yucatán: Listado Florístico 1–326
- ↑ García-Mendoza, A. J. & J. A. Meave. 2011. Diversidad Florística de Oaxaca: de Musgos a Angispermas 1–351. Universidad Nacional Autónoma de México, Ciudad Universitaria
- ↑ "Ramitsiry", tenymalagasy.org
- ↑ "Sahadevi Plant: सहदेवी का पौधा और उसके औषधीय गुण", www.bundelkhand24x7.com
- ↑ Wongwiwatthananukit, Supakit (January 2009). "Efficacy of Vernonia cinerea for smoking cessation". Journal of Health Research. 23 (1). Bangkok, Thailand: College of Public Health Sciences, Chulalongkorn University: 31–6.