Cuscuta chinensis
Ny Cuscuta chinensis dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Convolvulaceae (naman' ny vomanga), teratany any amin' ny faritra mafana amin' ny Tontolo Taloha. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe bonaka, fatitrahitra, fatotrahitra ary tsihitafototra. Maniry isan-taona izy io ary tsy misy famaitso, manana rantsana mavo sy vondrombony maro rantsana; izay manimba ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana isan-karazany, indrindra fa ny Fabaceae sy ny Asteraceae ary ny Zygophyllaceae. Ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana any amin' ny firenena aziatika maro ny vihim-boany ary voatanisa ao amin' ny farmakôpea sinoa.
Anarana sy ovan-karazana
[hanova | hanova ny fango]Anarana ahafantarana azy koa ny hoe Cuscuta carinata R. Br..
Ireto ny ovan-karazana ao aminy:
- Cuscuta chinensis var. applanata (Engelm.) Costea & Stefanov.
- Cuscuta chinensis var. chinensis
- Cuscuta chinensis var. ciliaris (Hohen. ex Boiss.) Engelm.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny fitsaboana any amin' ny firenena aziatika maro ny Cuscuta chinensis, anisan' izany i Sina, i Kôrea, i Pakistana, i Vietnamy, i India, i Tailandy, i Nepaly, ary i Môngôlia Anatiny. Ny famakafakana biôsimika dia nahitana haro fitôsimika miasa 93 farafahakeliny ao amin' ny Cuscuta chinensis mifandray amin' ny fampiasana azy hiadiana amin' ny famaivay sy amin' ny fahanterana, ary mampihena ny fanaintainana sy mampitombo ny filana firaisana ara-nofo. Ampiasaina' ny mpitsabo nentim-paharazana sinoa ho fanafody tônika hitsaboana ny tsy fahombiazan' ny voa sy ny aty ny Cuscuta chinensis.