Cucurbitaceae

Ny Cucurbitaceae dia fianakavian-javamaniry mamony sy dikôtiledôna ao amin' ny filaharana Cucurbitales, ny ankamaroany dia teratany any amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany sy amin' ny faritra manana toetany antonony, izay ahitana karazana 800 hatramin' ny 965 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 101 hatramin' ny 180.
Zavamaniry ahitra izy ireo amin' ny ankapobeny, maniry isan-taona na maniry maharitra, mandady na mianika, manana taho misy tangolika, ary mahalana kokoa ny endrika hazobotry. Tsy mahazaka fanala ireo zavamaniry ireo. Lahy na vavy ny voniny, izay indraindray entin' ny zavamaniry tokana (mônôika), indraindray entin' ny zavamaniry samy hafa (diôika). Mahalana kokoa ny hahitana voany maina.

Karazany maro no ambolena hahazoana voany hohanina (voatavo, korzety, kôkômbra, voatango, voajabo, sns) ary indraindray hahazoana vihiny (voatavo fanamboara-menaka, pistasy afrikana). Efa tamin' ny andro taloha ela be ny nambolen' ny olona azy ireo voalohany, an' arivo taona maro, na tany amin' ny Tontolo Vaovao (Cucurbita, Sechium) na tao amin' ny Tontolo Tranainy (Citrullus, Cucumis, Lagenaria, Luffa, Albanus, Quenetus).
Indreto ny manan-danja indrindra ara-pambolena, ara-barotra na ara-tsakafo ho an' ny olombelona: ny Cucurbita, ny Lagenaria, ny Citrullus, ny Cucumis, ny Momordica, ny Luffa, ny Cyclanthera, ny Gerrardanthus, ary ny Xerosicyos.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajiana ara-poko
[hanova | hanova ny fango]


Ny fanasokajiana farany indrindra ny Cucurbitaceae dia mamaritra foko miisa 15:
- Gomphogyneae Benth. & Hook.f.
- Alsomitra (Blume) Spach (1 sp.)
- Bayabusua (1 sp.)
- Gomphogyne Griff. (2 spp.)
- Gynostemma Blume (10 spp.)
- Hemsleya Cogn. ex F.B.Forbes & Hemsl. (30 spp.)
- Neoalsomitra Hutch. (12 spp.)
- Triceratieae A.Rich.
- Cyclantheropsis Harms (3 spp.)
- Fevillea L. (8 spp.)
- Pteropepon (Cogn.) Cogn. (5 spp.)
- Sicydium Schltdl. (9 spp.)
- Zanonieae Benth. & Hook.f.
- Gerrardanthus Harvey in Hook.f. (3–5 spp.)
- Siolmatra Baill. (1 sp.)
- Xerosicyos Humbert (5 spp.)
- Zanonia L. (1 sp.)
- Actinostemmateae H.Schaef. & S.S.Renner
- Actinostemma Griff. (3 spp.)
- Bolbostemma Franquet (2 spp.)
- Indofevilleeae H.Schaef. & S.S.Renner
- Indofevillea Chatterjee (2 sp.)
- Thladiantheae H.Schaef. & S.S.Renner
- Baijiania A.M.Lu & J.Q.Li (30 spp.)
- Sinobaijiania C.Jeffrey & W.J.de Wilde (5 spp.)
- Thladiantha Bunge 1833 (5 spp.)
- Siraitieae H. Schaef. & S.S. Renner
- Siraitia Merr. (3–4 spp.)
- Momordiceae H.Schaef. & S.S.Renner
- Momordica L. (60 spp.)
- Joliffieae Schrad.
- Ampelosicyos Thouars (5 spp.)
- Cogniauxia Baill. (2 spp.)
- Telfairia Hook. (3 spp.)
- Bryonieae Dumort.
- Austrobryonia H.Schaef. (4 spp.)
- Bryonia L. (10 spp.)
- Ecballium A.Rich. (1 sp.)
- Schizopeponeae C.Jeffrey
- Herpetospermum Wall. ex Hook.f. (3 spp.)
- Schizopepon Maxim. (6–8 spp.)
- Sicyoeae Schrad.
- Brandegea Cogn. (1 sp.)
- Cyclanthera Schrad. (40 spp.)
- Echinocystis Torr. & A.Gray (1 sp.)
- Echinopepon Naudin (19 spp.)
- Hanburia Seem. (7 spp.)
- Hodgsonia Hook.f. & Thomson (2 spp.)
- Linnaeosicyos H.Schaef. & Kocyan (1 sp.)
- Luffa Mill. (5–7 spp.)
- Marah Kellogg (7 spp.)
- Microsechium Naudin (4 spp.)
- Nothoalsomitra Hutch. (1 sp.)
- Parasicyos Dieterle (2 sp.)
- Sechiopsis Naudin (5 spp.)
- Sicyocaulis Wiggins (1 sp.)
- Sicyos L. (64 spp., anisany ny Frantzia Pittier sy ny Sechium P.Browne)
- Sicyosperma A.Gray (1 sp.)
- Trichosanthes L. (≤100 spp.)
- Coniandreae Endl.
- Apodanthera Arn. (16 spp.)
- Bambekea Cogn. (1 sp.)
- Ceratosanthes Adans. (4 spp.)
- Corallocarpus Welw. ex Benth. & Hook.f. (17 spp.)
- Cucurbitella Walp. (1 sp.)
- Dendrosicyos Balf.f. (1 sp.)
- Doyerea Grosourdy (1 sp.)
- Eureiandra Hook.f. (8 spp.)
- Gurania (Schltdl.) Cogn. (37 spp.)
- Halosicyos Mart.Crov (1 sp.)
- Helmontia Cogn. (2–4 spp.)
- Ibervillea Greene (8 spp.)
- Kedrostis Medik. (28 spp.)
- Psiguria Neck. ex Arn. (6–12 spp.)
- Seyrigia Keraudren (6 spp.)
- Trochomeriopsis Cogn. (1 sp.)
- Wilbrandia Silva Manso (5 spp.)
- Benincaseae Ser.
- Acanthosicyos Welw. ex Hook.f. (1 sp.)
- Benincasa Savi (2 spp., anisany ny Praecitrullus Pangalo)
- Blastania Kotschy & Peyr. (3 spp., anisany ny Ctenolepis Hook.f.)
- Borneosicyos (1–2 spp.)
- Cephalopentandra Chiov. (1 sp.)
- Citrullus Schrad. (4 spp.)
- Coccinia Wight & Arn. (30 spp.)
- Cucumis L. (65 spp.)
- Dactyliandra Hook.f. (2 spp.)
- Diplocyclos (Endl.) T.Post & Kuntze (4 spp.)
- Indomelothria (2 spp.)
- Khmeriosicyos (1 sp.)
- Lagenaria Ser. (6 spp.)
- Lemurosicyos Keraudren (1 sp.)
- Melothria L. (12 spp., anisany ny M. scabra)
- Muellerargia Cogn. (2 sp.)
- Oreosyce Hook.f. (1 sp.)
- Papuasicyos (8 spp.)
- Peponium Engl. (20 spp.)
- Raphidiocystis Hook.f. (5 spp.)
- Ruthalicia C.Jeffrey (2 spp.)
- Scopellaria W.J.de Wilde & Duyfjes (2 spp.)
- Solena Lour. (3 spp.)
- Trochomeria Hook.f. (8 spp.)
- Zehneria Endl. (ca. 60 spp.)
- Cucurbiteae Ser.
- Abobra Naudin (1 sp.)
- Calycophysum H.Karst. & Triana (5 spp.)
- Cayaponia Silva Manso (74 spp.)
- Cionosicys Griseb. (4–5 spp.)
- Cucurbita L. (15 spp.)
- Penelopeia Urb. (2 spp.)
- Peponopsis Naudin (1 sp.)
- Polyclathra Bertol. (6 spp.)
- Schizocarpum Schrad. (11 spp.)
- Selysia Cogn. (4 spp.)
- Sicana Naudin (4 spp.)
- Tecunumania Standl. & Steyerm. (1 sp.)
Ny Cucurbitaceae eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto, ohatra, ny vondron-karazana sy ny karazana sasany hita eto Madagasikara:
Cucurbita
[hanova | hanova ny fango]- Cucurbita maxima (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: atondra, betsetsa, fongy, kirio, pongy, taboara, taboary, trisebiky, voatavohoko, sns;
- Cucurbita pepo (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: baby, voatavohova, voatavombazaha);
- Cucurbita pepo var. italica (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: voatavolahy);
- Cucurbita pepo var. ovifera (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: voatavombazaha).
Lagenaria
[hanova | hanova ny fango]- Lagenaria siceraria (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: arivolahy, giga, kasingy, kelimasesy, kelimatoa, kibota, monta, okotsotro, seka, terifanga, voatavoarivolahy, voatavobe, voatavobozaka, voatavofotsy, voatavogiga, voatavohaolo, voatavokarandoha, voatavomangidy, voatavomonta, voatavosatria, voatavovaza, sns);
- Lagenaria sphaerica (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: tabotaboke, tapotako, voambahavana, sns)
- Lagenaria vulgaris (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: andrivolahy, finga)
Citrullus
[hanova | hanova ny fango]- Citrullus colocynthis (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: felitsikiry, voandrafy)
- Citrullus lanatus (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: hetsihetsy, makatendry, voaketrihetry, voanketsihetsy, voantsikiry, voasavy)
- Citrullus vulgaris (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: tsikiry, voanketsihetsy, voantango)
Cucumis
[hanova | hanova ny fango]- Cucumis hirsutus (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: voahondro)
- Cucumis melo (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: voatango)
- Cucumis sativus (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: kôkômbra, voatangombazaha, voatsaky)
Momordica
[hanova | hanova ny fango]- Momordica harantia (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: mafaibe, margaoza, margôzy)
Luffa
[hanova | hanova ny fango]- Luffa acutangula (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: papangay, parapangay, pipangay)
- Luffa cylindrica (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: fanasandovia)
Xerosicyos
[hanova | hanova ny fango]- Xerosicyos danguyi (izay atao amin' ny teny malagasy hoe: kitsakitsakoba, takisakisaka, tapisaka, taposaka).
- Xerosicyos perrieri
- Xerosicyos pubescens
Seyrigia
[hanova | hanova ny fango]- Seyrigia gracilis (bambola)
Peponium
[hanova | hanova ny fango]- Peponium perrieri (takotakokely, voantangondolo)
- Peponium perrieri var. glabrescens (voantangondolo)
Ampelosicyos
[hanova | hanova ny fango]- Ampelosicyos bosseri
- Ampelosicyos humblotii
- Ampelosicyos leandrii
- Ampelosicyos major
- Ampelosicyos meridionalis
- Ampelosicyos scandens
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fianakavian-javamaniry hafa: