Aller au contenu

Cucurbita

Avy amin'i Wikipedia
Karazana sasany ao amin' ny Cucurbita

Ny Cucurbita dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae, zana-pianakaviana Cucurbitoideae, ary foko Cucurbiteae. Ahitana karazan-javamaniry 18 mianika na mandady, izay teratany any Amerika avokoa, ary ny 5 amin' ireo dia ambolena matetika eran-tany. Vondron-karazana manan-danja ara-toekarena lehibe izy io, raha ny marina dia ao aminy no ahitana ny ankamaroan' ny karazana ambolena amin' ny anarana hoe voatavo.

Toetra ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]

Maniry isan-taona na maharitra, mandady na mianika, manana taho misy tangolika ny karazana ao amin' ny Curcubita. Mety hahatratra halava 3 ka hatramin' ny 10 metatra ny taho mandady, ary matetika mamoaka faka fiandry tandrify ny tonony. Mehibe, manana vondron-kiran-dravina misamaka, marokoroko, ary matetika misy tsibolo ny raviny.

Zavamaniry mônôika, misy voniny lahy (tsy mitondra afa-tsy lahimbony) na vavy (tsy mitondra afa-tsy vavimbony) izy ireo. Ireto farany ireto dia mora fantatra amin' ny fisian' ny tsirivavy (ambany) eo am-potony izay manana ny endriky ny voankazo ho avy amin' ny endrika kely, fa ny voninkazo lahy kosa dia manana tangozany manify ary ny lahimbony 5 dia mitambatra ka ny 3 ihany no hita. Ny voniny izay miendrika lakolosy mavo dia manana savaivo 6 hatramin' ny 15 sm. Amin' ny ankapobeny dia miseho andro maromaro alohan' ny vony vavy voalohany ny vony lahy.

Lehibe, misy hodiny matevina rehefa matoy, ary misy vihy maro ao anaty efitra tokana ny voany.

Lisutry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
  • Cucurbita argyrosperma C. Huber
  • Cucurbita cordata S. Watson
  • Cucurbita cylindrata
  • Cucurbita digitata Gray
  • Cucurbita ecuadorensis H. C. Cutler & Whitaker
  • Cucurbita ficifolia Bouche
  • Cucurbita foetidissima Kunth
  • Cucurbita galeottii
  • Cucurbita lundelliana L. H. Bailey
  • Cucurbita maxima
    • Cucurbita maxima subsp. andreana
    • Cucurbita maxima subsp. maxima Duchesne
  • Cucurbita melopepo
  • Cucurbita moschata (Duchesne ex Lam.) Duchesne ex Poir.
  • Cucurbita okeechobeensis (Small) Bailey
  • Cucurbita palmata S. Wats.
  • Cucurbita pedatifolia L. H. Bailey
  • Cucurbita pepo L.
  • Cucurbita radicans Naudin
  • Cucurbita ×scabridifolia (safiotra)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]