Cucumis prophetarum

Ny Cucumis prophetarum dia zavamaniry mandady, maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae.
Ny Cucumis prophetarum dia teratany aty Afrika sy any Atsinanana Afovoany, hatrany Maoritania atsinanana ka hatrany amin' ny Tandrok' i Afrika, hatrany atsimo-andrefana ka hatrany Angôla ary hatrany atsimo-atsinanana ka hatrany Afrika Atsimo, ary hatrany Israely atsimo ka hatrany Iemena sy any Ômàna ary hatrany atsinanana ka harany India avaratra-andrefana. Nampidirina tany Katara izy io. Maniry hoazy any amin' ny an-tany somary efitra sy sahalava izy io hatrany amin' ny haambo 2 010 m, matetika miaraka amin' ny akasia.
Misy tsibolo ny tahony sy ny raviny ary ny raviny dia miendrika atody na boribory ary miendrika fo eo am-potony sady mirefy 2-4 sm ny halavany. Misy nifinifiny na mivilombilona ny sisin-draviny. Mizara 3 hatramin' ny 5 ny raviny ka ny fizaràna tsirairay dia dombo na somary maranitra, ary manana halava mirefy 6-87 mm ny tangozan-dravina. Mivondrona 2 na 3 amin' ny tangozam-bony manana halava mirefy 3-25 mm ny vony lahy, ary tsy fahita ny mandeha irery. Mitokana hatrany ny vony vavy ary manana tangozam-bony mirefy 6-30 m. Misy felam-bony mavo miisa dimy manana halava mirefy 5–8 mm sy sakany mirefy 2,5–3,5 mm. Somary miendrika atody ny voany sady misy soritra mitsangana ary miloko mavo rehefa masaka. Mirefy 3-4 sm ny halavany ary rakotra votrovotro toa tsilo.

Manana tsiro mangidy ny voany raha mbola manta ary indraindray ampangotrahina na alona amin' ny rano masira raha hatao sakafo. Andrahoina ny raviny ary atao laoka miaraka amin' ny sakafo fototra. Hanin' ny olona manerana ny faritra aniriany ny voany ary ambolena sy amidy eny an-tsena indraindray. Any Arabia Saodita dia ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana koa ny voany mba hitsaboana ny aretin' aty.

Amin' ny endriny voajanahary dia misy kokorbitasinina izay mahatonga azy ho mangidy ny voan' ny Cucumis prophetarum. Poizina ho an' ny biby mampinono izany. Mety hampandoa sy hamparary kibo ary hiteraka aretim-pivalanana mafy izany.