Cucumis melo

Ny Cucumis melo dia karazan-javamaniry mamony, mandady, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Ny nofony dia manopy mavokely, manitra. Arakaraka ny fahamatoiny no maha mamy kokoa ny nofony. Mahatratra na mihoatra ny 2 kg ny voany. Zavamaniry ahitra maniry isan-taona izy io, teratany aty Afrika intertrôpikaly, ary volena betsaka izy io mba hihinanana ny voany.
Atao hoe voatango na voantango ny anarany amin' ny teny malagasy, nefa tsy io ihany no zavamaniry atao amin' ny teny malagasy hoe "voatango" na "voantango".

Tsy mihodinkodina amin' ny zavamaniry hafa ny tahony, nefa afaka mianika amin' ny tohana amin' ny alalan' ny tangolika tsotra ity zavamaniry ity. Fantatra amin' ny fananana elanelan-tonony fohy ireo izay nisy fiovana mahakasika ny fototarazo. Feno, somary boribory, indraindray ahitana toa voadidididy lalina ny raviny amin' ny ankapobeny. Ny voany dia tena misy tsirony sy mamy ary manitra.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Voatango: Cucumis melo, Cucumis sativus, Citrullus lanatus, Oreosyce africana (Cucumis parvifolius teo aloha).