Cucumis dipsaceus

Ny Cucumis dipsaceus dia zavamaniry ahitra mianika, maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae, hita amin' ny toerana mafana sy maina. Ity zavamaniry ity dia teratany any Afrika Atsinanana, indrindra any Sodana, any Ejipta atsimo ary any Etiôpia. Miova avy amin' ny maitso ho mavo ny voan' ilay zavamaniry izay somary lavalava sy betsaka. Misy tsibolo toa tsilo mandrakotra ny voany.

Maro ny fampiasana ny Cucumis dipsaceus, toy ny fanaovana azy ho sakafom-biby fiompy, ho fanafody ary ho sakafon' olombelona. Maniry hoazy izy izy nefa misy koa ny efa famboly. Ny zanany sy ny ravin' ilay zavamaniry dia ahandroina miaraka amin' ny kobam-boanjo, na miaraka amin' ny rononom-boanio raha misy. Ny voan' ilay zavamaniry dia ampiasaina amin' ny fitsaboana hampihena fanaintainana.
Nanjary zavamaniry manafika manerana an' i Amerika ny Cucumis dipsaceus. Anisan' izany ny any amin' ny nosy maron' i Hawaii, any amin' ny fanjakana maro any Etazonia ary any amin' ny nosy any Amerika Atsimo ihany koa.
Faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]Teratany any Afrika Atsinanana, hita voalohany tany Sodàna sy tany atsimon' i Ejipta ary tany Etiôpia ny Cucumis dipsaceus. Ambolena any Afrika Atsinanana ary voly ara-barotra any ny Cucumis dipsaceus. Ataon' ny olona sakafo any amin' ireo faritra ireo ny ravin' ny Cucumis dipsaceus noho ny lanjany ara-tsakafo. Ampiasaina ho fanafody hampihena fanaintainana koa ny voan' ity zavamaniry ity.
Niparitaka any Kenià, any Sômalia, any Tanzania ary any Oganda ny Cucumis dipsaceus. Hita any India any amin' ny Fanjakan' i Karnataka sy ny Fanjakan' i Tamil Nadu ity zavamaniry ity ary misy porofo maneho fanirian' io zavamaniry io hatrany atsimon' ireo faritra ireo. Tsy voarakitra an-tsoratra ny fomba nielezan' io zavamaniry io, saingy mety ho nohafarana niaraka amin' ny voamadinika.
Niparitaka tany amin' ny nosy sasany sy ny tany sasany any amin' ny ila-bolantany atsinanana koa, izay iheverana azy ho zavamaniry manafika, ny Cucumis dipsaceus. Zavamaniry manafika any Hawaii, any amin' ny sasany amin' ny vondronosy Galapagos, any Meksika, any Però ary any Ekoadôra ity karazana zavamaniry ity.
Toerana tiany aniriana
[hanova | hanova ny fango]
Zavamaniry ahitra mianika, maniry isan-taona, hita any amin' ny toeram-paniriana samihafa ny Cucumis dipsaceus. Maniry any amin' ny faritra mafana sy maina izy io, ary zara raha misy any amin' ny faritra anjakan' ny vondron-javamaniry iva sy matevina. Mifanaraka tsara amin' ny ala voakorontana sy amin' ny faritra nomanina ho an' ny fambolena ny Cucumis dipsaceus. Hita amin' ny toerana manana haambo 400-1 800 m ity zavamaniry ity. Tsy fahita eny am-poto-tendrombohitra izy nefa fahita matetika kokoa any amin' ny kijana sy any amin' ny ala mahalana kokoa.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Maro ny fampiasana ny Cucumis dipsaceus, anisan' izany ny fampiasana azy amin' ny nahandro sy amin' ny fitsaboana. Ity zavamaniry ity dia matetika angonina avy eny am-paniriany hoazy, nefa ambolena sy otazana ihany koa.