Cucumis anguria
Fiseho


Ny Cucumis anguria dia karazana zavamaniry mamony dikôtiledôna, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae, teratany any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika. Zavamaniry maniry isan-taona, mandady na mianika, izay mety mahatratra 2,5 metatra ny halavany. Ny voany dia salavalava, manana halava 3 - 4 sm, miloko mavo rehefa matoy. Tonga tany Amerika ity zavamaniry afrikanina ity nandritra ny fivarotana andevo ary nambolena tany Antilia, amin' ny endriky ny ovakatazana, ny Cucumis anguria var. anguria, misy voany tsy mangidy izay hanina toy ny kôkômbra.