Hankany amin'ny vontoatiny

Cuculiformes

Avy amin'i Wikipedia
Cuculus canorus (karazana toloho)

Ny Cuculiformes dia filaharam-borona mitovitovy amin' ny Psittaciformes, manana rantsan-tongotra roa eo anoloana sy roa eo aoriana, fa izany tongony izany kosa tsy dia manana fahafahana hamihina loatra, satria hafa ny firafitry ny hozatra ao aminy. Sady tsy mihetsiketsika no tsy mifaingoka ny ampahany ambony amin' ny vavany, ary tsy misy savoka ny vavorony. Misy volo vitsy kokoa noho ny an' ny Psittaciformes ny rambo lavan' ny Cuculiformes.

Fianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Nozaraina ho fianakaviana roa ity filaharana ity taloha (Musophagidae sy Cuculidae). Mametraka ny Musophagidae amin' ny filaharany manokana ny fanasokajian' ny International Ornithological Congress (versiona 7.3, 2017), izay mifototra amin' ny fikarohana vao haingana: ny Musophagiformes. Noho izany dia filaharana tokam-pianakaviana ny Cuculiformes ankehitriny:

  • Cuculidae (izay ahitana karazana miisa156, anisany ny toloho).