Hankany amin'ny vontoatiny

Cryptosylvicola randrianasoloi

Avy amin'i Wikipedia
Cryptosylvicola ranndrianasoloi

Ny Cryptosylvicola randrianasoloi, izay hany karazana ao amin' ny sokajy Cryptosylvicola, dia karazam-boron-kely ao amin' ny fianakaviana Bernieridae. Io vorona io dia mipetraka amin' ny ala avo eto Madagasikara, ao amin' ny ala atsinanana eo anelanelan' ny haambo 900 sy 2 100 m. Ny Cryptosylvicola ranndrianasoloi dia vorona somary kely, manana lamosina maitso ôliva ary kibo mavo mivolondavenona.

Tamin' ny taona 1992 no nahitan' ny mpanam-pahaizana azy voalohany teo akaikin' ny Tahirin-Javabory Manokana Analamazaotra eto Madagasikara, ary tsy misy afa-tsy ny ala any amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy eo anelanelan' ny Tahirin-Javaboary Manokana Anjanaharibe-Atsimo sy ny Valan-javaboarim-pirenena Andohahela.

Ny tovan' anarana ara-tsiansany hoe randrianasoloi dia nomena azy ho fanomezam-boninahitra ny ôrnitôlôga malagasy Georges Randrianasolo (1930-1989) izay nandray anjara betsaka tamin' ny fampandrosoana ny siansan' ny zsavaboary teto Madagasikara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]