Hankany amin'ny vontoatiny

Cryptostegia

Avy amin'i Wikipedia
Cryptostegia madagascariensis

Ny Cryptostegia dia vondron-karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae, ao amin' ny filaharana Gentianales, avy aty Afrika trôpikaly sy eto Madagasikara. Anisany ny lombiro na lombiry.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Cryptostegia dia misy karazana vahy telo maro rantsana, minofon-kazo, maharitra. Rehefa misy tapaka na maratra ny tahony na ny raviny dia mamoaka ranony mandronono izay afaka mamono ny biby fiompy mihinana azy. Misy glikôsida mamely ny fo ka mety hiteraka fahafatesana tampoka izy io raha voatelina. Na dia tsara kalitao aza ny lateksa ao aminy dia tsy ampiasaina eny amin' ny tsena. Zavamaniry maitso ravina lalandava ny Cryptostegia. Matanjaka izy ireo ary mety mahatratra halava 15 m. Mitovy bika amin' ny fo ny raviny izay mifanohitra miloko maitso antitra. Manana halava 6-10 sm sy sakany 3-5 sm izy ireo.

Indreto ny karazana ao amin' ny Cryptostegia: