Crossleyia tenebrosa
Ny Crossleyia tenebrosa dia karazam-boron-kely ao amin' ny fianakaviana Bernieridae. Eto Madagasikara ihany no ahitana azy. Ny fonenany voajanahary dia ala sobtrôpikaly na trôpikaly mando any amin' ny tany lemaka. Atahorana ho ripaka ity karazana ity noho ny fahaverezan' ny toeram-ponenany.
Tamin' ny taona 2023 dia nisy vorona telo hita tany amin' ny tapany avaratr' i Madagasikara raha noheverina fa efa lany tamingana io karazana io noho ny fandripahana ny ala ao amin' ny toeram-ponenany. Talohan’ izay dia tamin' ny taona 1999 no nahitana azy farany. Anisan' ny karazam-borona folo atahorana ho lany tamingana indrindra eran-tany izy io.
Ity karazana ity dia napetraka taloha tao amin' ny sokajy Xanthomixis. Nafindra tao amin' ny sokajy Crossleyia izy io tamin' ny fifotorana amin' ny fandalinana fototarazo môlekiolary navoaka tamin' ny taona 2019.