Crocodylus niloticus
Fiseho

Ny Crocodylus niloticus dia karazana voay lehibe, ao amin' ny fianakaviana Crocodylidae, teratany monina amin' ny ranomamy aty Afrika, ka any amin' ny firenena miisa 26 no ahitana azy. Antsoina hoe voain' i Neily na voain' i Nily izy io. Miely patrana manerana an' i Afrika atsimon' i Saharà izy io, indrindra any amin' ny faritra afovoany, atsinanana ary atsimon' ny kaontinanta, ary miaina amin' ny karazana tontolo iainana an-drano toy ny farihy, renirano, honahona ary heniheny. Io no karazana voay misy eto Madagasikara.