Hankany amin'ny vontoatiny

Coracopsis nigra

Avy amin'i Wikipedia
Coracopsis nigra

Ny Coracopsis nigra dia karazana boloky kely mainty manopy manga rehefa taratry ny masoandro ny lohan' ny elany ary miafara amin' ny mainty matroka be. Ao amin'ny fianakaviana Psittaculidae izy io. Atao hoe boloky, ampala, sihotsy, vaza ny narany amin' ny teny malagasy.

Mirefy eo aminy 30 sm eo ny halavany (lohany hatrany amin' ny rambony). Manana feo manga sy sioka tsara kokoa ny boloky kely raha oharina amin' ny boloky be. Any anaty kirihitr' ala lavitry ny olombelona no ahitana azy, dia amin' iny ilany atsinanana sy andrefanan' ny Nosy iny. Miara-miaina eo amin' ny 60 na 70 isa eo ny boloky kely raha toa ka mitokana lavitry ny namany ny mpivady hikotrika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]