Hankany amin'ny vontoatiny

Asteraceae

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Compositae)
Asteraceae

Ny Asteraceae dia fianakavian-javamaniry ao amin' ny filaharana Asterales, misy karazana be dia be, izay antsoina koa hoe Compositae, na Compositaceae, izay ahitana fikambanana voniny madinika izay miseho ho toy ny voniny lehibe.

Ity fianakaviana ity dia ahitana karazana 23 500 hatramin' ny 32 000 izay voatsinjara amina vondron-karazana miisa 1 600 hatramin' ny 1 900 any ho any, izay mahatonga azy io ho fianakaviana faharoa amin' ny tontolon' ny zavamaniry sy ny voninkazo, ao aorian' ny Orchidaceae (izay misy karazana 25 000) fa eo alohan' ny Fabaceae.

Ahitana an' ity fianakavian-javamaniry ity faritra rehetra eto an-tany (afa-tsy any Antarktika, any amin' ny tanin-dranomandrin' i Grinlandy ary any amin' ny vondronosy Arktika Kanadiana), fa indrindra any amin' ny faritra manana toetany antonony. Ny karazan-javamaniry tena maneho an' ity fianakaviana ity dia maniry indrindra any amin' ny faritra misy haintany, ivelan' ny faritra misy hazo any amin' ny ala trôpikaly mando. Ny ankamaroan' izy ireo dia zavamaniry ahitra, na dia misy aza ny hazo, hazobotry na vahy ao amin' io fianakaviana io. Anisan' izany ny tanamasoandro, ny herokeroka, ny salady ary ny beroberoka.

Taksinômia

[hanova | hanova ny fango]

Zana-pianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Global Compositae Database (2 Jolay 2024) dia ireto ny zana-pianakaviana ao amin' ny Asteraceae:

Vondron-karazana lehibe sasany

[hanova | hanova ny fango]

Ny fianakaviana Asteraceae dia ahitana vondron-karazana miisa 1 600 hatramin' ny 1 900 any ho any, nefa ireto no vondron-karazana lehibe:

Vondron-karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny vondron-karazana tsy hita raha tsy eto Madagasikara:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]