Hankany amin'ny vontoatiny

Commelina benghalensis

Avy amin'i Wikipedia
Commelina benghalensis

Ny Commelina benghalensis dia ahitra maniry mihoatra ny roa taona, ao amin' ny fianakaviana Commelinaceae, hita any Azia sy aty Afrika Trôpikaly. Anisan' ny zavamaniry antsoina amin' ny teny malagasy hoe tsimativonoina izy, manampy ny Commelina nudiflora sy ny Commelina madagascarica. Nampidirina be dia be tany amin' ny faritra ivelan' ny faritra niaviany izy io, anisan' izany ny Neôtrôpika, i Hawaii, ny vondro-nosy Antilia ary ny morontsiraka roa any Amerika Avaratra. Manana fe-potoana lava mampamony azy izy io, manomboka amin' ny lohataona ka hatramin' ny fararano any amin' ny faritra mafana, ary mandritra ny taona any amin' ny faritra manakaiky ny Fehibe. Matetika izy io no maniry amin' ny tany mikorontana.

Commelina benghalensis
Meloidogyne incognita

Any amin' ny faritra niaviany sy amin' ny faritra nampidirana azy dia matetika no heverina ho ahi-dratsy izy, indraindray tena manahirana. Any Etazonia dia napetraka ao amin' ny Federal Noxious Weed List izy io (lisitry ny ahi-dratsy). Heverina ho ahi-dratsy antonony izy io amin' ny fambolena vary any Azia. Any amin' ny faritra niaviany aty Afrika atsimon' i Sahara, any India, any Srilanka, ary any amin' ny ampahany be amin' i Azia Atsimo Atsinanana, dia heverina ho ahi-dratsy manahirana ho an' ny karazam-boly maro manomboka amin' ny dite sy ny kafe ka hatramin' ny mangahazo sy ny voanjo. Ny fahasimbana ara-pambolena fanampiny dia vokatry ny fahafahany mampiantrano ny nematôda Meloidogyne incognita sy ny viriosin' ny aretim-boanjo Umbravirus arachidis.

Commelina benghalensis

Any Sina dia ampiasaina ho fanafody izay lazaina fa mampamany sy mampihena fanaviana sy fanaintainana, fa any Pakistana kosa dia ampiasaina amin' ny fanasitranana ny fivontosana amin' ny hoditra sy ny habokana ary ny fanafody manadiko kibo.

Amin' ny fitsaboana nentim-paharazana malagasy kosa ireo zavamaniry ireo potehina (anisany ny Commelina nudiflora sy ny Commelina madagascarica) dia apetaka amin' ny mangana. Voalaza koa fa tena mandaitra amin’ ny aretina maro hafa izy ireny: alobotra (tsy fahampian-tsakafo mandritra ny fisaraha-nono), ny kohaka mafy. Ny ranony dia voalaza fa mampihena ny siramamy ao amin' ny ra amin' ny diabeta.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]