Hankany amin'ny vontoatiny

Coix lacryma-jobi

Avy amin'i Wikipedia
Coix lacryma-jobi

Ny Coix lacryma-jobi dia karazan-javamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Poaceae (bozaka) teratany any Azia Atsimo-Atsinanana. Izy io dia voamadinika be prôteinina, tsy misy glotenina. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe pikopiko, tsilaimbery, tsimaromana, ary vakamaniry. Nampidirina any amin' ny tapany avaratra amin' i Sina sy any India tamin' ny Andro Taloha ny Coix lacryma-jobi. Any an-toeran-kafa izy io dia zavamaniry isan-taona ambolena anaty zaridaina. Nanjary maniry tsara any amin' ny faritra atsimo amin' i Etazonia sy any amin' ny faritra trôpikan' ny Tontolo Vaovao izy io. Any Sina izy io dia ambolena any amin' ny faritra avo izay tsy mampaniry tsara ny vary sy ny katsaka. Teny latina izay midika hoe "ranomason' i Jôba" ny hoe "lacryma-jobi".

Toetoetrany

[hanova | hanova ny fango]
Voan' ny Coix lacryma-jobi fanao vakana

Karazan-javamaniry afaka maniry mihoatra ny roa taona ny Coix lacrima jobi, mônôika (manana voniny lahy sy vavy misaraka samy eny aminy), manana ravina mivelatra be, mitombo malalaka, maro rantsana ary matanjaka. Mety hahatratra 1,20 m hatramin' ny 1,80 m ny haavony. Tahaka ny karazana rehetra ao amin' ny vondron-karazana Coix, ny vondromboniny dia mipoitra avy amin' ny fonon-dravina eo amin' ny tendron' ny taho ary misy ampahany amin' ilay rafitra no mafy, poakaty, boribory na miendrika atody, toy ny vakana. Tsy mitovy ny lokon' ny voan' ny Coix lacrima jobi: miloko manja tanora ny voany misy fonony malemy, fa misy perikarpa mena antitra kosa ny voany mifono manana fono mafy.

Coix lacryma-jobi

Misy ovan-karazany roa lehibe ny Coix lacryma-jobi, ny iray maniry hoazy ary ny iray ambolena. Ity zavamaniry ity dia misy zavatra toa voany manana hodiny mafy izay miendrika atody sy tena mafy, fotsy toa voangy, atao vakana hanamboarana sapile na rojo iambozonana na kavina, na zavatra hafa. Manana akorany malemy, sady ampiasaina amin' ny Fitsaboana nentim-paharazana any amin' ny faritra sasany any Azia; ny ovan-karazana ambolena kosa (Coix lacryma-jobi var. ma-yuen) dia atao sakafon' olombelona (voamadinika) na sakafom-biby. Ilay zavatra toa voany dia miendrika atody, miovaova ny loko: manomboka amin' ny fotsy ka hatramin' ny volondavenona manopy manga, matrola ka hatramin' ny volontany. Ny fanesorana ny fonony dia ahazoana vakana manjelanjelatra toa voaloko varinesy sady mafy, misy lavaka.

Faritra aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Avy amin' ny faritra manana toetany antonony mafana any Azia ny Coix lacryma-jobi: Birmania, Sina, Zana-Kôntinenta Indiana, Indôsina, Malezia ary Filipina. Mamboly azy be dia be ny any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly rehetra izay manao azy io ho haingo, vilona, ​​​​sakafon' olombelona ary zavamaniry fanafody.

Ovan-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny Febroary 2015 dia ovan-karazana efatra amin' ny Coix lacryma-jobi no eken' ny World Checklist of Selected Plant Families:

  • Coix lacryma-jobi var. lacryma-jobi
  • Coix lacryma-jobi var. ma-yuen (Rom.Caill.) Stapf
  • Coix lacryma-jobi var. puellarum (Balansa) A.Camus
  • Coix lacryma-jobi var. stenocarpa Oliv.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]