Hankany amin'ny vontoatiny

Clusiaceae

Avy amin'i Wikipedia
Garcinia tinctoria

Ny Clusiaceae, fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Guttiferae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Malpighiales. Ahitana karazana miisa 750 hatramin' ny 1 000 eo ho eo izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana eo anelanelan' ny 13 sy 40 (anisan' izany ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Hypericaceae sy ny Calophyllaceae ankehitriny) ity fianakaviana ity, arakaraka ny fanasokajiana. Hita eran-tany, manomboka amin' ny faritra manana toetany antonony ka hatramin' ny faritra mafana, ity fianakaviana ity, izay ahitana zavamaniry ahitra, vahy, hazobotry, ary hazo.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Nampiditra ity fianakaviana ity ho ao amin' ny filaharana Malpighiales ny fanasokajiana filôjenetika. Noho izany dia niova be avy amin' ny fanasokajian' i Cronquist (1981) mankamin' ny fanasokajiana APG III (2009) io fianakaviana io; nozaraina amin' ny fianakaviana telo ny vondron-karazana sasany, ny sasany kosa mbola tsy fantatra mazava.

  • Calophyllaceae: Calophyllum, Caraipa, Clusiella, Endodesmia, Haploclathra, Kayea, Kielmeyera, Lebrunia, Mahurea, Mammea, Marila, Mesua, Neotatea, Poeciloneuron;
  • Clusiaceae: Ascyrum Mill, 1754, Oedematopus (= Clusia), Pilosperma (= Clusia) ;
  • Hypericaceae: Ascyrum L., 1753, Cratoxylon, Eliaea na Eliea, Harungana, Hypericum, Psorospermum, Sanidophyllum, Santomasia, Thornea, Triadenum, Vismia;
  • Incertae sedis: Havetia, Havetiopsis, Quapoya, Rheedia.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Clusiaceae araka ny Angiosperm Phylogeny Website (11 Desambra 2016):

  • Allanblackia Bentham
  • Chrysochlamys Poepp.
  • Clusia L.
  • Dystovomita (Engler) D'Arcy
  • Garcinia L.
  • Lorostemon Ducke
  • Montrouziera Planchon & Triana
  • Moronobea Aublet
  • Pentadesma Sabine
  • Platonia Martius
  • Symphonia L. f.
  • Thysanostemon Maguire
  • Tovomita Aublet
  • Tovomitopsis Planchon & Triana