Hankany amin'ny vontoatiny

Clarisse Ratsifandrihamanana

Avy amin'i Wikipedia
Clarrisse Ratsifandrihamanana
Ankapobeny
AnaranaClarrisse Ratsifandrihamanana
Teraka5 desambra 1926
ToeranaFenoarivo Atsinana
Maty28 jona 1987
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpampianatra
Fiainana manokana

I Clarisse Hortense Ratsifandrihamanana dia vehivavy malagasy mpanoratra. Teraka tamin' ny 5 Desambra 1926 tao Fénérive-Est izy ary nodimandry tao Antananarivo tamin' ny 28 Jona 1987.

Ny fiainany

[hanova | hanova ny fango]

I Clarisse Hortense Andriamampandry Ratsifandrihamanana no tena anarany. Teraka tamin'ny 5 desambra 1926 tao Fenoarivo Atsinana izy. Fianakaviana avy amin'ny razan'Andriana ,mpikabary, mpamoron-kira, mpanoratra malaza no niaviany. Niaina betsaka tamin'ny fiainana ambanivohitra izy, mpianatr'ilay poeta malaza antsoina hoe: Jean Narivony. Ankoatra ny maha mpanoratra azy dia mpikaroka nafana fo teo amin'ny sehatra pôlitika izy, tao anatin'ny antoko: Antokon'ny Kongresy ho amin'ny Fahaleovan-tenan'i Madagasikara (A.K.F.M).

Ny fiainany ny kanto

[hanova | hanova ny fango]

Anisan'ireo vehivavy malaza eo amin'ny sehatry ny haisoratra izy. Ny tara-kevitra novoiziny dia ny fanoherana ny tsy rariny amin'ny endriny samihafa: fanavakavahana, fahantran'ny vahoaka, tsy fitovian-jo sns. Tany amin'ny taona 1960 izy no nanomboka nanoratra. Mpikambana tao amin'ny UPEM sy tao amin'ny Akademia Malagasy izy. Ny tononkalo no tena nanavanana ity mpanoratra iray ity, na izany aza, dia nanoratra tantara foronina sy angano koa izy.

Asa soratra

[hanova | hanova ny fango]

Sady nanoratra tononkalo, tantara foronina, sombin-tantara ary tantara an-tsehatra maro izy. Santionany amin'ny sanganasany ireto:

  • 1948: Fahavaratra (nosotarana 1948, navoaka 1969) ;
  • 1960: Sarindra (tononkalo nahazo ny loka voalohany nomen'ny Antenimeran'ny tanànan'Antananarivo).
  • 1961: Salohy (amboaran-tononkalo)
  • 1964: Fahavaratra (tantara foronina)
  • 1964: Lavakombarika (sombin-tantara)
  • 1966: Tamberintany (tantara an-tsehatra)
  • 1967: Ikalomanga[1]
  • 1970: Lohataona sy ririnina
  • 1970: Ramose (navoaka 2006)
  • 1970: Ny zanako (tantara foronina)
  • 1979: Velan'angano ( tantara an-tsehatra)
  • 1979: Tany vaovao (tantara foronina)

Ny mampiavaka azy eo amin' ny asa sorany

[hanova | hanova ny fango]

Ny literatiora manavanana azy dia ny an-tsoratra, (tantara foronina, sombin-tantara, angano miendrika tantara,...). Sokajin-dahatsoratra fampiasany ny mitantara sy ny manoritsoritra ary ny mandresy lahatra. Fomba filazan-javatra na sarin-teny mampiavaka azy ny fampiasana tamberin-teny, ny tamberin-drafitra, ny fanovana endri-javatra ary ny fanovana anarana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. http://plateforme.education.mg/bibliotheque-numerique/course/view.php?id=483
  2. https://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-61.html