Citrus limon

Ny Citrus × limon dia karazana hazo madinka ao amin' ny fianakaviana Rutaceae, ambolena any amin' ny faritr' i Mediterane sy any amin' ny faritra sobtrôpikaly mhahazoana ny voany. Ampiasaina ho fanatsarana sakafo ny ranom-boany. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe voasarimakirana. Safiotry ny voasarimandina (Citrus medica) sy ny voangikely (Citrus aurantium) ity karazana ity.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Hazo maitso ravina lalandava ny voasarimakirana. Afaka miaina eo anelanelan' ny 50 sy 80 taona izy io. Rehefa lehibe izy dia mahatratra haavo 3 ka hatramin' ny 5 m.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Lavalava sy miendrika lela lefona ny ravin' ny voasarimakirana.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Fotsy manopy volomparasy ny vonin' ny voasarimakirana, ary mivondrona kely sy mipoitra avy eo am-poto-dravina.
Voany
[hanova | hanova ny fango]
Ny voan' ny voasarimakirana dia boribory lavalava, somary maranitra, manana halava 8 hatramin' ny 12 sm, maitso amin' ny voalohany ary mivadika mavo rehefa masaka. Marikivy ny nofony izay manana hoditra matevina misy menaka mahery fofona. Misy ravi-tsimoka fotsy ny vihim-boany vitsivitsy. Mamokatra voankazo mandavann-taona ny ankamaroan' ny ovan-karazan' ny voasarimakirana.

Ny voasarimakirana sasany, fantatra amin' ny anarana hoe "variegata", dia manana raviny misy loko ifandimbiasan' ny maitso sy loko mazava kokoa ary mamokatra voany manana loko toy izany koa mandritra ny fotoam-pihamasahany. Vony Mavokely ny voniny sy ny nofom-boany.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Sakafo
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny sakafo isan-karazany ny voan' ny voasarimakirana, indrindra ho fanatsarana ny tsiron-kanina, amin' ny endrika ranom-boankazo, na hahazoana ny fofony fotsiny. Hanin' ny olona any Espaina ny ravin' ny voasarimakirana ao amin' ny mifo atao hoe "Paparajotes". Amokarana ny "Limoncello" ny fandomana ny hodiny amin' ny alikôla miaraka amin' ny siramamy.
Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny arômaterapia ny menaka voasarimakirna.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Citrus
- Voasarimakirana (voany)