Citrullus

Ny Citrullus dia vondron-karazan-javamaniry ahitra mandady, ao amin' ny fianakaviana Cucurbitaceae. Avy ao Afrika ireo zavamaniry ireo, izay fantatra indrindra amin' ny voany.
Matetika ny raviny dia manana endrika telozoro na miendrika boribory lavalava. Misaraka ny voniny lahy sy vavy, ary samy hita amin' ny fotony iray (karazana mônôika), miloko mavo ary tsy dia lehibe loatra. Lehibe sady be nofo ny voany, matetika boribory na lavalava. Matetika mena na mavokely, be ranony ary mamy ny nofony, fa mety ho mavo na fotsy ihany koa. Matevina sy malama, maitso, misoritsoritra na mipentipentina ny hodiny.
Ny voajabo na voazavo (Citrullus lanatus) no karazana fantatra sy ambolena indrindra. Ny itiavan' ny olona azy io dia noho ny voany mangatsiatsiaka sy mamy, hanina amin' izao fotsiny na anaovana ranom-boankazo, sns. Niely manerana izao tontolo izao ny fambolena voajabo tamin’ ny alalan' ny varotra sy ny fifindra-monina.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]- Citrullus amarus Schrad.
- Citrullus colocynthis (L.) Schrad.
- Citrullus ecirrhosus Cogn.
- Citrullus lanatus (Thunb.) Matsum. & Nakai
- Citrullus lanatus subsp. vulgaris var. cordophanus (Ter-Avan.) Fursa
- Citrullus lanatus var. lanatus
- Citrullus mucosospermus (Fursa) Fursa
- Citrullus naudinianus (Sond.) Hook.f.
- Citrullus rehmii