Hankany amin'ny vontoatiny

Cinnamosma fragrans

Avy amin'i Wikipedia
Mandravasarotra (Cinnamosma fragrans)

Ny Cinnamosma fragrans dia zavamaniry voninkazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, ao amin' ny fianakaviana Canellaceae. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe fanalamangidy, mandravasarotra, molotrobeantiniaina, motrebetinainy, ary motrobeantinena. Maniry amin' ny tany misy silisy amin' ny faritra maina ny mandravasarotra. Miloko maitso matroka ny raviny ary sory kirakirany.

Zavamaniry fanao fanafody ny mandravasarotra, ka ny raviny no tena ampiasaina. Itsaboana ny aretina vokatry ny bakteria na ny virosy ny menaka avy amin' ny mandravasarotra. Maro ny aretina (vokatry ny bakteria, ny virosy, ny holatra madinika, ny katsentsitra, ny hatsiaka, sns) sy ny karazan-karerahana azo sitranina amin' ny fampiasana ny menaka mandravasarotra: rehoka, sinozita, aretin' ny lalanjaza, aretin' ny traoka, gripa, aretin-tsofina, sns.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Mandravasarotra (Cinnamosma fragrans)

Ny mandravasarotra dia hazo madinika tsy maniry afa-tsy eto Madagasikara, manitra, misy zorozorony ny tahony, maitso matroka ny raviny, mitondra vavimbony sy lahimbony ny voniny. Miovaova endrika sy habe ny voany, izay misy vihy miisa eo anelanelan' ny 1 sy 15 isaky ny voa.

Toerana aniriany

[hanova | hanova ny fango]
Mandravasarotra (Cinnamosma fragrans)

Teratany any amin' ny tany amorontsiraka amin' ny faritanin' Antsiranana sy Mahajanga any avaratra sy andrefana amin' i Madagasikara ny Cinnamosma fragrans. Miely patrana any amin' ny ala maina manintsan-dravina eo anelanelan' ny haabon' ny ranomasina sy ny haabo 600 m izy io. Matetika izy io dia maniry amin' ny tany be silisy, misy fasika, vatovary na vatosokay tsy mbola mitambatra. Ahitana azy io betsaka ny any amin' ny faritra Melaky sy Diana. Mirefy 151 773 km2 ny velaran' ny faritra aniriany.

Santionany tsy voafaritra tsara avy amin' ny sakaihazo (Cinnamosma madagascariensis) na motrobeantinana (Cinnamosma macrocarpa) ny santionany voangona avy amin' ny ala ambany hamandoana any amin' ny toerana avo.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Fitsaboana nentim-paharazana

[hanova | hanova ny fango]

Zavamaniry fanao fanafody ny mandravasarotra, ka ny raviny no tena ampiasaina. Itsaboana ny aretina vokatry ny bakteria na ny virosy ny menakamanitra avy amin' ny mandravasarotra. Maro ny aretina (vokatry ny bakteria, ny virosy, ny holatra madinika, ny katsentsitra, ny hatsiaka, sns) sy ny karazan-karerahana azo sitranina amin' ny fampiasana ny menakamanitra mandravasarotra: rehoka, sinozita, aretin' ny lalanjaza, aretin' ny traoka, gripa, aretin-tsofina, sns.

Mitovitovy amin' ny an' ny ravintsara ny menaka mandravasarotra: ampiasaina hiadiana amin' ny kohaka sy ny sohika ary ny fivalanan-dra mitreraka fahaverezan-drano be loatra ny fakany; iadiana amin' ny tazomoka, itsaboana ny ratra koa izy, analana ny herin' ny poizina voatelina, ho an' ny vehivavy saro-piterahana; ny fandomana ny raviny dia ampiasaina ho an' ny zaza matavy na mahia loatra.

Ahazoana mitsabo ny aretin' aty sy ny sinozita ary ny tazomoka ny fampifangaroana ny mandravasarotra amin' ny singa hafa. Azo tsaboina amin' ny mandravasarotra koa ny aretin' ny lalan' amany, aretina sasany mahazo ny fitaovam-pananahan' ny vehivavy, ny aretina mahazo ny ati-vava (aretina sy ratran' ny hihy) sy ny vavony,

Fandroahana sy famonoana moka

[hanova | hanova ny fango]

Mahafaty moka koa ny mandravasarotra ary mandroaka ny moka miteraka ny tazomoka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]