Cinnamomum verum

Ny Cinnamomum verum dia karazana zavamaniry mamony maitso ravina lalandava ao amin' ny fianakaviana Lauraceae. Hazo teratany any Srilanka izy io. Vokarin' ny tantsaha avy amin' ny hodiny anatiny ny kanelina. Atao hoe Cinnamomum zeylanicum koa izy io. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe andrembavinaveotra, hazokanelina, hazomanitra, kanelina na ravintsara.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Mitombo hatramin' ny haavo 10 ka hatramin' ny 15 m ny Cinnamomum verum. Manjelanjelatra ny raviny maitso lalandava izay manana halava 7 hatramin’ ny 18 sm. Maitso ny voniny ary misy fofona somary tsy mahafinaritra. Manana savaivo 1 sm eo ho eo ny voany volomparasy.
Faritra aniriany
[hanova | hanova ny fango]
Teratany any Srilanka ny Cinnamomum verum, saingy ambolena any amin' ny faritra trôpikaly hafa. Mety ho lasa zavamaniry manafika any amin' ny faritra sasany koa izy.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Zavamanitra
[hanova | hanova ny fango]
Mamokatra tapa-kazo, izay azo ampiasaina mivantana ho zavamanitra na totoina ho lasa vovoka, ny kanelina avy amin' ny hoditry ny Cinnamomum verum, rehefa maina. Azo ampiasaina amin' ny endrika vovoka na tapa-kazo izy ary atao amin' ny nahandro, na ny menaka atao amin' ny kremy sy amin' ny feta fanadiova-nify mihitsy aza.
Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Efa ela no nampiasaina tamin' ny fitsaboana nentim-paharazana ho fanampiana ny fandevonan-kanina (vavony sy tsinay) ny kanelina. Ny fanadihadiana savaranonando dia nampiseho fa mety hampiadana ny fisehon' ny aretina Alzheimer ny ny kanelina. Manohitra ny mamaivay sy ny areti-mihanaka ary ny piriritra ny fampiasana ny vovoka kanelina.
Fitandremana
[hanova | hanova ny fango]Misy ny antony tsy tokony hampiasana ny menaka kanelina, indrindra ho an' ny zaza latsaky ny 7 taona sy ny vehivavy bevohoka. Ny fampiasana ny kanelina amin' ny hoditra dia mety hiteraka mamaivay raha ampiasaina amin' ny fatra ambony na mandritra ny fotoana maharitra. Ankoatra izany, dia tsy tokony hohanina be loatra na mandritra ny fotoana maharitra ny menaka azo avy aminy satria mety fahamaizan' ny vavony.