Christopher Carlisle

Avy amin'i Wikipedia

I Christopher Carlile (na Carlisle) dia mpitondra fivavahana anglikana. Teraka tamin' ny taona 1530 izy, nianatra tao amin' ny Clare College University tany Cambridge. Maty tamin' ny 2 Aogositra 1588 izy. Nianatra teo ambany fitarihan' i Immanuel Tremellius sady voalaza fa manampahaizana namirapiratra amin' ny teny hebreo izy. Tamin' ny nahazoany ny mari-pahaizany tamin' ny taona 1552 dia niady hevitra tamin' i Sir John Chekedans izy ka tamin' izany no nandavany ny fidinan' i Kristy any amin' ny fiainan-tsi-hita. Izany fandavan' i Carlile ny fidinana any amin' ny fiainan-tsi-hita izany dia efa naroson' i William Tyndale tany aloha, ary raha mbola velona izy dia efa niombon-kevitra taminy ny amin' izany i Wouter Deelen (latina: Gualterus Delenus) izay pastora tao amin' ny fiangonana hôlandey any Austin Friars, sy manampahaizana hebreo iray.