Choeropsis

Ny Choeropsis dia vondron-karazana lalomena (Hippopotamidae), karazana zeny hatrizay raha oharina amin' ny karazana lalomena lasa zeny rehefa nonina a-nosy. Misy karazana Choeropsis roa fantatra, izay efa lany tamingana ny iray:
- ny lalomena pigmea (Choeropsis liberiensis)
- ny lalomena malagasy (Choeropsis madagascariensis) †
Misy mpikaroka mihevitra fa ny lalomena pigmea dia tokony ho sokajiana ao amin' ny vondron-karazana Hexaprotodon. Ny lalomena pigmea ankehitriny dia novana sokajy vao haingana ka natao tao amin' ny vondron-karazana Choeropsis tamin' ny taona 2021 taorian' ny famakafakana vaovao, saingy mpanoratra maro no manohy mampiasa ny vondron-karazana Hexaprotodon ho an' ity karazana ity.
Ho an' ny lalomena malagasy Choeropsis madagascariensis dia mpanoratra sasantsasany ihany no mametraka azy amin' ity vondron-karazana ity, satria amin' ny ankapobeny dia ekena ho ao amin' ny karazana Hippopotamus miaraka amin' ireo karazana lalomena malagasy hafa, noho io lalomena io nanjary kelikely vokatry ny fononany a-nosy.