Chlorobionta
Fiseho
| Chlorobionta | |
|---|---|
| Thallophyta | |
| Fanasokajiana ara-tsiansa | |
| Fanjakana lehibe: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | |
| Klady: | Viridiplantae (=Chlorobionta) |
Ny Chlorobionta na Viridiplantae, izany hoe zavamaniry maitso, dia zana-panjakana ao amin' ny Plantae (zavamaniry) amin' ny heviny malalaka (anisan' izany ny ahidrano). Mamorona vondrona mônôfiletika ahitana ny ankamaroan' ny "ahidrano maitso" sy ny zavamaniry an-tanety rehetra izy ireo. Miavaka izy ireo noho ny fananany famaitso a sy b. Mifanaraka amin' ny endrika filamatry ny zavamaniry izy ireo, miloko maitso, satria tsy voasaron' ny fandoko hafa ny famaitso amin' ny ankapobeny. Tokan-tsela ny karazana sasany, fa betsaka kosa ny maro sela. Manana toerana ara-tontolo iainana lehibe eto amin' ny Tany ny Chlorobionta, izay fitambaran' ny zavamaniry an-tanety rehetra sy ampahany manan-danja amin' ny biômasy an-dranomasina.