Hankany amin'ny vontoatiny

Charles Ravoajanahary

Avy amin'i Wikipedia
Charles Ravaojanahary
Ankapobeny
AnaranaCharles Ravaojanahary
Teraka2 mai 1917
ToeranaAntananarivo
Maty1996 Antsirabe
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
KarazanaMalagasy
Asa :Mpampianatra
Fiainana manokana
Seha-pitiavanaMadeleine, Juliette, Louis TANGUY, 1926-1964

I Charles Ravaojanahary dia olo-manga sy mpanao pôlitika malagasy teraka tamin' ny 2 May 1917 tao Antananarivo ary maty tao Antsirabe tamin' ny taona 1996. Izy dia anisan' ireo nanorina ny Antokon' ny Kongresin' ny Fahaleovantenan' i Madagasikara (AKFM) tamin' ny taona 1958 tao Toamasina. Anisan'iray amin'ireo olona tena malaza teo amin'ny tantara politika teto Madagasikara ihany koa izy na dia eo aza ny tsy fahafantatana azy loatra amin'izao fotoana izao. Nefa na dia teo aza izany dia betsaka ireo olana mahay tantara sy vavolombelona niaina tamin'izany andro izany no mihevitra azy ho isan'ireo mpanoratra ilay "Boky Mena", izay sata fototry ny Revolisiona Sosialista Malagasy nandritra ny fitondran'i Filoha Didier Ratsiraka.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Charles Ravaojanahary dia efa nahatsapa fony izy mbola tanora ny fahalebiazan'ireo fahatsiarovana ara tantara ho an'ny firenenena izay niaina izany atao hoe fanjanahantany izany, mba hahafantaran'ireo taranaka afara ny tantara niainana tamin'izany andro izay. Izany no mahatonga azy ireny tehirizina sy kolokoloina tsara ihany koa.[1]

Ireo tanjony tamin'ny ady izay nataony:

[hanova | hanova ny fango]
  • Fampiroboroboana ny Tantaran'i Madagasikara.
  • Fiarovana n'y kolotsaina Malagasy.
  • Fitahirizana ireo fahatsiarovana manome lanja ny Tantaran'i Madagasikara.

Izy rahateo dia Mpampianatra taranja tantara tamin'ny fotoana nahazoan'ny Madagasikara ny fahaleoavantenany.[1]

Ny anjarana toerany teo amin'ny Sehatra politika

[hanova | hanova ny fango]

Charles Ravaojanahary dia anisan'ireo nandray anjara mavitrika teo amin'ny Sehatra politika teto Madagasikara.[2]

Maro ireo antoko nisy azy tamin'izany fotoana izany ary izy tenany dia mpamorona Antoko ihany koa tamin'izany[2]

Ireo Antoko izay noforoniny:

[hanova | hanova ny fango]

Teo amin'ny fitondran'ny Filoha Philibert Tsiranana fahiny dia ireo Antoko ireo no anisan'ny nanohitra ny fitondrana tamin'izany vanim-potonana nitondrana izany.[2]

Ny momba ilay hetsika 1972

[hanova | hanova ny fango]

Io hetsika io no nitarika ny fanonganana ny fahefan' i Filoha Philibert Tsiranana teo amin'ny fitondrana ary nihevitra ny olon-drehetra fa nifarana hatreo ny rafitra Neokolonialy tamin'izany fotoana izany. Tao aorian' izany hetsika izany no nahatonga azy ho:

  • Mpanolotsaina politika[1]

Ny Andraikiny amin'ny ilay "Boky Mena"

[hanova | hanova ny fango]

Ny olona izay niaina tamin'izany fotoana izany dia mihevitra fa i Charles Ravaojanahary no tena mpanoratra ilay boky mena. Misy koa anefa ny miteny fa anisany ihany izany fa Tsy izy irery no nanoratra azy[2].

Ny Boky Mena dia:

  • Sata fototrin'ny Revolisiona Sosialista Malagasy
  • Antontan-taratasy ideolojika niorenan'ny Repoblika Faharoa.
  • Taratasy mamaritra ny lalàna politika, ara-toekarena asy ara-tsosialy anarahin'ny fitondrana.

Na dia ny Filoha Didier Ratsiraka aza no lasa endrika hita maso sy mpitarika ny revolisiona, dia i Charles Ravaojanahary kosa no heverin'ny maro ho mpanentana aza-tsaina lehibe indrindra tao ambadik'izany.[3]

Filan-kevitra Ambony Revolisionea (CSR)

[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny taona 1977 dia notendren'i Filoha Didier Ratsiraka ho Doyen'ny Conseil Suprême de la Révolution na antsoina ihany koa hoe CSR, izay iray tamin'ireo andrim-panjakana manan-danja indrindra Téo amin'ny fitondrana Revolisionera.[1]

N'y fanendrena azy tamin'io toerana io dia heverina ho fankasitrahana azy tamin'ny anjara birikiny tamin'ny famolavolanany ny foto-pisainana Revolisionera.[4]

Ny Fisarahany tamin'ny fitondrana

[hanova | hanova ny fango]

Arakin'ny fitantaran'ny Mpanoratra Jean-Luc Raharimanana, dia nanomboka nanelingelina ny mpitondra tamin'izany fotoana izany ny ezaka nataon'i Charles Ravaojanahary amin'ny fitehirizana sy fahampafantarana ny Tantara marina.[4]

Anisan'ny nahatonga izany ny:

  • Ny fijoroany amin'ny heviny sy ny fahamarinana izay hoentiny momba ny tantara izay nisy.
  • Ny fandavany amin'ny fanadinoana ireo pejy manan-danja lehibe Téo amin'ny Tantaran'i Madagasikara.

Noho izany rehetra izany dia nihena tsikelikely ny hery izay ananany teo amin'ny fitondrana.[4]

Ny fialany teo amin'ny Sehatra Politika

[hanova | hanova ny fango]

Taorian'ny fanampiany tamin'ny fananganana ny fitondrana revolisionera dia nesorina tamin'ny andraikiny izy.[3]

Arakin'ny fitantaran'ny Raharimanana azy dia:

  • Nilaozan'ireo namany Mpanoratra pôlitika taloha izy.
  • Nanjavona ny ampahany tamin'ireo tahiriny.
  • Potika sy Voaroba ny tahirin-kevitra sarobidy izay nanànany.
  • Nahita taratra ny fahasimban'ny firenena izay narovany hasina izy

Noho ireo rehetra ireo dia nanapak'hevitra niala tamin'ny Sehatra pôlitika i Charles Ravaojanahary.[4]

Nahoana izy no manan-danja eo amin'ny Tantaran'i Madagasikara?

[hanova | hanova ny fango]

Charles Ravaojanahary dia azo heverina ho:

  1. Mpanabe sy mpahay tantara lehibe.
  2. Mpiaro ireo fahatsiarovana sy ny maha izy azy ara-tantara ny firenena Malagasy.
  3. Anisan'ireo Mpitolona MBA hahazoany Madagasikara ny fahaleoavantenan.
  4. Mpanohana ny hetsika tamin'ny 1972.
  5. Mpanorina Antoko pôlitika maro.
  6. Iray amin'ireo Mpanoratra ilay Boky Mena.
  7. Olo-malaza niady amin'ny fiarovana ny tantaran'ny fanoherana Malagasy.

Noho izany rehetra izany dia maro no niantso azy hoe: “Rain'ny foto-pisainana revolisionera malagasy izay tsy dia fantatry ny maro.”[1]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Clarisse Ratsifandrihamanana

Charlotte Arisoa Rafenomanjato