Cereus repandus
Fiseho

Ny Cereus repandus na Cereus peruvianus dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Cactaceae (naman' ny raketa) mijoro tahaka ny andry lehibe, mitsangana, misy tsilo, hita any Amerika Atsimo. Ambolena indrindra ho haingo ny Cereus repandus, sady manana lanja ara-tsakafo koa. Ny vahoaka Wayuu any amin' ny Saikinosin' i La Guajira ao Kôlômbia sy Venezoelà dia mampiasa io zavamaniry io hanamboarana rairain-trano.