Hankany amin'ny vontoatiny

Centella asiatica

Avy amin'i Wikipedia
Talapetraka (Centella asiatica)

Ny Centella asiatica dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny vondron-karazana Centella, ao amin' ny fianakaviana Apiaceae. Fantatra ihany koa amin' ny anarana siantifika hoe Hydrocotyle asiatica L. izy io. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe anamanitra, anampetraka, anantahalaka, anantalapetraka, kiladitahalaka, korokorona, loviantsahonantanety, raivolesoka, silabola, talapetraka, viliantsahonantanety. Teratany any amin' ny faritra trôpikaly aty Afrika, ny Azia, any Aostralia ary any amin' ny nosin' i Pasifika andrefana izy io, ary ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana maro (fitsaboana Ayurveda sy fitsaboana nentim-paharazana sinoa, sns).

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Centella asiatica

Maniry any amin' ny faritra manana toetany trôpikaly sy amin' ny faritra manana toetany antonony any amin' ny faritra maro manerana izao tontolo izao ny Centella asiatica. Tonga amin' ny fahatoizany ilay zavamaniry ao anatin' ny telo volana, ary ny zavamaniry manontolo, anisan' izany ny fakany, dia alaina amin' ny tanana. Ny raviny ihany no tokony halaina mba hitandrovana ilay zavamaniry tsy ho faty.

Centella asiatica

Manify, mandady, maitso hatramin' ny maitso manopy mena, sady mampifandray foto-javamaniry maro ny tahony. Maitso na mavokely sy mipaka amin' ny tany ka afaka mamaka sy maniry indray ny rantsan' ny talapetraka.

Ravin' ny talapetraka

Mibikan-kabaro sy manana tangozany mirefy 20 sm izay mivelatra eo am-potony ka lasa toy ny fono ary maitso ny ravin' ny talapetraka Malefaka sy manana tendrony boribory ary kirany misandrahaka toa rantsan-tanana ny ravina tsirairay.

Voniny vao mipoitra

Fotsy, mena volomparasy, mavokely sy maitso, ary mipoitra toa fehezam-boninkazo kely eo akaikin' ny tany, ny vony kelin' ny talapetraka izay latsaky ny 3 mm. Voasaron' ny ravina misarim-bony maitso roa amin' ny ampahany ny vony tsirairay. Manana lela ravina dimy ka hatramin' ny enina isaky ny vondrom-pelambony ny vony tsirairay ary manana lahimbony dimy sy tahom-pandray vovobony roa.

Vihim-boan' ny Centella asiatica

Voarary matevina ny voany, ka izany dia mampiavaka azy amin' ny karazana Hydrocotyle izay misy voany malama na tehezany mivohitra na votrovotro.

Misy taranja izay mitombo mijidina ny rafi-pakany. Miloko mavo volom-boasary izy ireo ary rakotra volovolo mpitroka rano sy otrikaina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]