Cedrelopsis grevei

Ny Cedrelopsis grevei dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny vondron-karazana Cedrelopsis, ao amin' ny fianakaviana Rutaceae. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe katafa, katrafà, katrafae, katrafaina, katrafay, katsafa, mampandry, mantora. Hazo manintsan-dravina tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara izy.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Maniry amin' ny endrika hazobotry izy io. Izy io dia hazo mônôika na diôika, antonony ny habeny, mahatratra 28 m ny haavony. Mahitsy sy manana haavo 2 hatramin' ny 9 m sy savaivo 20 hatramin' ny 150 sm ny vatany. Volondavenona, hatsatra hatramin' ny mavo sy marokoroko, misy pentina volondavenona sy maitso ary volomboasary ny hodiny. Rakotra volovolo fohy ny rantsana tanora.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]
Hazo manintsan-dravina izy. Mifandimby ny raviny izay manana halava 12 ka hatramin' ny 20 sm sy sakany 6 hatramin' ny 8 sm, izay fitambarana zana-pelana. Mifandimby na mifanohitra ny zana-pelana izay miisa hatramin' ny folo sy miendrika salavalava na boribory lavalava, misy volovolo, manana halava 3 hatramin'ny 8 sm sy sakany 1 hatramin' ny 3 sm. Manana halava 3 hatramin' ny 4,5 sm ny halavany ary ny tangoza-jana-pelana dia mirefy 1,5 hatramin' ny 5 mm ny tangozan-dravina.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Katsaoka mipoitra eo am-pototry ny tangozan-dravina sy misy volovolo fohy ny vondrombony. Lahy na vavy na sady lahy no vavy ny voniny manitra. 1 hatramin' ny 3 mm ny halavan' ny zana-tangozam-bony. Manana sofiny telozoro matevina manana halava 4 hatramin' ny 5 mm, rakotra volovolo fohy ny vondron-dravimbony. Tsy mifampiraikitra, salavalava, manana halava 8 hatramin' ny 10 mm, miaraka amin' ny tendrony maranitra, ary miloko mavokely hatramin' ny mavo, misy volovolo fohy eo ivelany ny felam-bony. Manana lahimbony dimy, fohy kokoa noho ny felany, eo amin'ny 1 mm ny halavany, ary manana fihary atodinaina kely tsy nivoatra ny vony lahy. Manana lahimbony dimy tsy nivoatra sy fihary atodinaina ambony, manana halava 3 hatramin' ny 4 mm ny vony vavy.
Voa
[hanova | hanova ny fango]Kapsiola salavalava manana halava hatramin' ny 3 sm ny voa, izay mivoha amin' ny vavany dimy rehefa matoy, rakotra na tsy misy volovolo fohy. Manopy volontakatra ka hatramin' ny mainty rehefa matoy. Misy vihim-boa hatramin' ny roa ambin' ny folo salavalava, fisaka amin' ny sisiny, manana halava eo amin' ny 2 sm, misy elany manify eo amin' ny tendrony.
Faritra sy toerana aniriany
[hanova | hanova ny fango]Izy io dia maniry amin' ny faritra manana toetany somary maina na somary mando. Maniry ao amin’ ny faritanin' Antsiranana, Mahajanga, Fianarantsoa ary Toliara, manomboka amin' ny haabon' ny ranomasina hatramin' ny 1 000 m izy io. Misy faritra aniriana miisa 90, araka ny fantatra, ity karazana hazo ity.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Laron' ny zavapisotro
[hanova | hanova ny fango]
Eto Madagasikara dia ilaina betsaka amin' ny fanomezana fofona manitra ny toaka sy amin' ny fanamboarana zava-pisotro tsy misy alikôla ny hoditry ny katrafay izay mangidy.
Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Sitilina ny hodiny sy ny raviny mba hahazoana menakamanitra izay ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ho fanafody amin' ny aretina maro toy ny tazomoka sy ny tazo ary ny havizanan' ny hozatra.Heverina ho mpanaitra ny hozatra sy ny filan' ny nofo koa ny hoditra katrafay.
Fanorenana sy taozavatra
[hanova | hanova ny fango]Ny hazon' ny katafa dia mahatohitra ny lo sy ny bibikely ka nampiasaina tamin' ny fanorenana fasan' ny mpanjaka izy io. Ny hazony koa dia ampiasaina amin' ny fanorenana.