Catharanthus

Ny Catharanthus dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae. Ahitra maniry mandritra ny taona maro izy ireo. Misy karazany valo na sivy fantatra izy io ka ny fito dia tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara (anisany ny Catharanthus roseus izay efa ambolena manerana izao tontolo izao). Teratany any India sy any Srilanka ny karazana fahavalo, Catharanthus pusillus. Avy amin' ny teny grika midika hoe "voninkazo madio" ny anarana hoe Catharanthus.
Manana ravina mifanohitra na saika mifanohitra izy ireo ary matetika ny voniny dia mitokana tsy misy namany eo amin' ny foto-dravina. Manana ravimbony misy zana-pelana dimy lava sy tery ary felambony misy tahony miedrika varingarina misy zana-pelany dimy ny vony tsirairay.
Loharanon-karazana alkalôida maro ny Catharanthus roseus, fantatra taloha amin' ny anarana hoe Vinca rosea. Mamokatra alkalôida 130 eo ho eo ilay zavamaniry, anisan' izany ny vinblastinina sy ny vinkristinina, izay fanafody roa ampiasaina hitsaboana homamiadana. Ambolena indrindra ho zavamaniry fanao haingo amin' ny zaridaina ny Catharanthus roseus. Maromaro ny ovan-karazana volena novolavolaina mba hamokarana voniny amin' ny loko mavokely, mena, fotsy sns, na amin' ny loko mazava nefa misy fototra maizina.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany valo na sivy fantatra ny Catharanthus ka ny fito dia tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Indreto ny karazana ao amin' io vondron-karazana io:
- Catharanthus coriaceus Markgr. – felamena, tangentsakalava, tsipelana (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara)
- Catharanthus lanceus (Bojer ex A.DC.) Pichon – salotsa, tsipelana, tsipelatany, vonenina, voninenina (Madagasikara)
- Catharanthus longifolius (Pichon) Pichon – kita, kitra, tonga (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara)
- Catharanthus makayensis (L. Allorge, P. B. Phillipson & R. Razakamalala)
- Catharanthus ovalis Markgr. – ilamena, kilaimena, kita, kitia, kitra, tsipelana (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara)
- Catharanthus pusillus (Murray) G.Don. – (teratany any India sy any Srilanka ary any amin' ny faritra Himalaya Andrefana)
- Catharanthus roseus (L.) G.Don. – arivotambelona, befela, felabaratra, felatanamamba, heladolo, rivotambelona, salotsa, sarita, tonga, tongatse, trongatse, tsimatiririnina, tsingevika, vonenina (teratany eto Madagasikara, hita any amin' ny firenena hafa koa)
- Catharanthus scitulus (Pichon) Pichon – (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara)
- Catharanthus trichophyllus (Baker) Pichon – felamena, kilaimena, razoma, vonenina (tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara sy any India)
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vinca
- Befela: Catharanthus roseus (L.) G. Don (Apocynaceae); Melhania orbiculari-dentata Arènes (Malvaceae)
- Felabaratra: Catharanthus roseus (L.) G. Don (Apocynaceae); Tachiadenus carinatus Griseb. (Gentianaceae)
- Kita (zavamaniry): Aristolochia acuminata Lam. (Aristolochiaceae); Catharanthus longifolius (Pichon) Pichon; Catharanthus ovalis Markgr. (Apocynaceae); Pervillaea venenata (Baill.) J. Klack. (← Menabea venenata Baill.) (Apocynaceae)
- Salotsa: Catharanthus lanceus (Bojer ex A. DC.) Pichon; Catharanthus roseus (L.) G. Don (Apocynaceae); Pachypodium horombense Poiss.; Pachypodium rosulatum Bake (Apocynaceae)
- Tonga: Catharanthus longifolius Pichon; Catharanthus roseus (L.) G. Don (Apocynaceae); Stachytarpheta jamaicensis (L.) Vahl (Verbenaceae)
- Trongatse: Catharanthus roseus (L.) G. Don; Cenchrus ciliaris L. (Apocynaceae)
- Tsingevika: Catharanthus roseus (L.) G. Don (Apocynaceae); Tabernaemontana coffeoides Boj. ex A. DC. (← Hazunta modesta (Baker) Pichon) (Apocynaceae)
- Tsipelana: Catharanthus lanceus (Bojer ex A. DC.) Pichon; Catharanthus ovalis Markgr.; Catharanthus coriaceus Markgr (Apocynaceae)
- Vonenina: Catharanthus lanceus (Bojer ex A. DC.); Catharanthus roseus (L.) G. Don; Catharanthus trichophyllus (Baker) Pichon (Apocynaceae)
- Voninenina: Catharanthus lanceus (Bojer ex A.DC.) Pichon (Apocynaceae); Anisopappus salvifolius (DC.) Wild (←Anisopappus madagascariensis Benth.; Epallage dentata DC.) (Asteraceae).