Catarrhini
Fiseho


Ny Catarrhini dia vondrona rajako ao amin' ny Primates, ao amin' ny Simiiformes, izay ahitana ny karazana antsoina hoe "rajakon' ny Tontolo Taloha" (anisan' izany ny olombelona). Ny mpikambana tsy olombelona ao amin' ny Catarrhini dia monina ao Afrika sy any Azia, mifanohitra amin' ny Platyrrhini, na "rajakon' ny Tontolo Vaovao", izay hita any Amerika Atsimo sy Amerika Afovoany.

Ny fianakaviana ao aminy dia mitsinjara amina reni-fianakaviana roa: Cercopithecoidea sy Hominoidea.
- Cercopithecoidea
- Cercopithecidae
- Hominoidea
- Hominidae
- Hylobatidae