Catalogue of Life
Fiseho
Ny Catalog of Life (COL) dia angon-drakitra momba ny taksônômia mirakitra ny karazan-javamananaina rehetra fantatra, azo jerena amin' ny Internet. Ny tanjon' ity tranokala ity dia ny hanangona vaovao avy amin' ny angon-drakitra an-jatony (ohatra, FishBase sy ITIS). Izany dia ahafahan' ny Catalogue of Life manolotra taksôna efa ho 1 900 000 tamin' ny Septambra 2020.
Ny COL dia manangona angona anarana avy amin' ny ZooBank ho an' ny anaran' ny biby, avy amin' ny International Plant Names Index ho an' ny anaran' ny zavamaniry, ary avy amin' ny Index Fungorum ho an' ny anaran' ny holatra.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala: https://www.catalogueoflife.org/