Casuaria equisetifolia
Fiseho


Ny Casuarina equisetifolia dia karazan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Casuarinaceae, izay avy any Azia Atsimo-Atsinanana sy any Aostralia. Hazo maitso mandrakariva izy io, afaka mahatratra 35 m ny haavony sady manana hazo mafy dia mafy, ary mahay mifanaraka amin' ny karazana tany rehetra sady mahazaka sira. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe akao, filao, filaotra, ary fiofio.