Caryophyllales

Ny Caryophyllales (na Centrospermales sy Curvembryales teo aloha) dia filaharan-javamaniry roa ravin-tsimoka ahitana fianakaviana 38 (araka ny Fanasokajiana APG IV farany) sy karazany 8 600. Ity filaharana ity dia mazava tsara ny maha mônôfiletika azy. Ny ankabeazan' ireo karazana ireo dia zavamaniry tia nofon-tany voakorontana sady tia azôta sady mamokatra betalainina. Amin' ny hevitr' io anarana io ankehitriny dia ahitana vondrom-pianakaviana izay tsy dia mazava loatra ny fitoviana araka endrika (antsoina hoe Polygonales taloha), izay tsy mamokatra betalainina mihitsy, ary misy fianakaviana maro ahitana karazana mpihinana biby (toy ny Droseraceae sy ny Nepenthaceae). Anisan' ny fantatra ndrindra ny Cactaceae (raketa), ny Beta (betiravy), ny epinara, ny Amaranthus, ny Aizoaceae, ny Drosera, ny Dionaea muscipula, ny Nepenthes, ny Bougainvillea (laingomena). Maro amin' ny zavamaniry mpikambana ao no be ranony sy matevin-dravina sy manana taho be nofo malemy.
Lisitry ny fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny Fanasokajiana APG IV (2016), dia ampiana ireto fianakaviana vaovao ireto ny lisitry ny fianakaviana ao amin' ny filaharana Caryophyllales: Kewaceae sy Macarthuriaceae ary Microteaceae, ankoatra izany ny Petiveriaceae dia nnosarahina amin' ny Phytolaccaceae.
Ao amin' ny Fanasokajiana APG III (2009) dia ahitana ireto fianakaviana manaraka ireto io filaharana io:
- Achatocarpaceae Heimerl (1934)
- Aizoaceae Martinov (1820)
- Amaranthaceae Juss. (1789)
- Anacampserotaceae Eggli & Nyffeler (2010, in press)
- Ancistrocladaceae Planch. ex Walp. (1851)
- Asteropeiaceae Takht. ex Reveal & Hoogland (1990)
- Barbeuiaceae Nakai (1942)
- Basellaceae Raf. (1837)
- Cactaceae Juss. (1789)
- Caryophyllaceae Juss. (1789)
- Didiereaceae Radlk. (1896)
- Dioncophyllaceae Airy Shaw (1952)
- Droseraceae Salisb. (1808)
- Drosophyllaceae Chrtek, Slavíková & Studnicka (1989)
- Frankeniaceae Desv. (1817)
- Gisekiaceae Nakai (1942)
- Halophytaceae A.Soriano (1984)
- Limeaceae Shipunov ex Reveal (2005)
- Lophiocarpaceae Doweld & Reveal (2008)
- Molluginaceae Bartl. (1825)
- Montiaceae Raf. (1820)
- Nepenthaceae Dumort. (1829)
- Nyctaginaceae Juss. (1789)
- Physenaceae Takht. (1985)
- Phytolaccaceae R.Br. (1818)
- Plumbaginaceae Juss. (1789)
- Polygonaceae Juss. (1789)
- Portulacaceae Juss. (1789)
- Rhabdodendraceae Prance (1968)
- Sarcobataceae Behnke (1997)
- Simmondsiaceae Tiegh. (1900)
- Stegnospermataceae Nakai (1942)
- Talinaceae Doweld (2001)
- Tamaricaceae Link (1821)