Carl Sagan

Avy amin'i Wikipedia
Carl Sagan
Ankapobeny
Anarana Carl Sagan
Teraka 9 Novambra 1934
Maty 20 Desambra 1996
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Etazonia
Asa :
Fiainana manokana

Carl Sagan dia mpanoratra, mpahaikintana ary mpampiroborobo ny siansa. Mizaka ny zom-pirenen'i Etazonia izy, teraka ny 9 Novambra 1934 ary maty ny 20 Desambra 1996.

Ireo asa fampahafantarany ny momba ny tontolo misy antsika no tena ahafantarana azy, amin'ny alalana boky, oronantsary ary fandaharana mitohy amin'ny fahitalavitra. Anisan'ireo sangan'asany malaza indrindra Cosmos sy The Pale Blue Dot. Amin'ny maha-mpahaikintana azy, anisan'ireo navitrika nitady zava-manan'aina any ivelan'ny tany (SETI) koa izy, ka nandefa zavatra maro momba ny tany niaraka tamin'ny sambon-danitra Voyager 1 tamin'ny taona 1977.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Brooklyn, fokotany ao New York, Etazonia i Sagan[1].

Ny vadiny dia Lynn Margulis, Linda Salzman Sagan, Ann Druyan. Ny zanany dia Dorion Sagan, Jeremy Sagan, Nick Sagan.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Poundstone 1999, pp. 363–364, 374–375