Hankany amin'ny vontoatiny

Carissa spinarum

Avy amin'i Wikipedia
Carissa spinarum

Ny Carissa spinarum na Carissa edulis na Carissa pubescens dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae izay teratany aty Afrika trôpikaly fa hita koa Azia trôpikaly, any Aostralia ary any amin' ny sasany amin' ny nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indianina, indrindra fa any La Réunion izay manao azy ho zavamaniry arovana. Hazobotry misy tsilo izy io. Izy io dia maniry amin' ny toerana amorontsiraka somary maina izay miparitaka be aty Afrika. Any Kamerona dia hita any amin' ny hivoka sodaniana sy gineana izy io, ary koa any amin' ny faritra amorontsiraka akaikin' ny ala manintsan-dravina.

Hazobotry maro rantsana, maitso lalandava, be tsilo, 0,5 ka hatramin' ny 5 m ny haavony. Ny taova rehetra amin' ilay zavamaniry dia mamoaka lateksa fotsy mandronono tsy misy poizina. Maitso manjelanjelatra ny raviny, mifanohitra, mibikana atody na lela lefona ary 1–5 sm ny halavany. Ny sampany dia mitondra tsilo 1 hatramin' ny 3 sm. Ny voniny fotsy miendrika kintana manana sakany manodidina ny 1 sm. Maitso miendrika atody ny voany raha mbola manta, manana halava 1 hatramin' ny 2 sm, izay mivadika ho mainty na volomparasy antitra rehefa masaka. Mamorona fandrakofana matevina azo ampiasaina ho fefy velona Izy io.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Ravin' ny Carissa spinarum mibikana atody

Araka ny filazalazana bôtanika mahazatra, ny ravin' ny Carissa spinarum dia tsotra, mifanohitra, misy lelany salavalava toa lela lefna na mibikan' atody manana halava ary 1 hatramin' ny 5 sm, ary amin' ny ankapobeny dia manana tangozany fohy. Izy ireo dia somary henjana, tsy misy volovolo sy manjelanjelatra, ary maitso antitra ny lokony, miaraka amin' ny kirany toa volom-borona tsy dia misongadina firy. Feno ny sisiny fa tsy misy mitapatapaka, ny tendrony dia boribory na somary maranitra kely. Ireo toetran-dravina ireo dia heverina fa mifanaraka amin' ny tontolo maina.

Carissa spinarum mamony

Ny vonin' ny Carissa spinarum dia fotsy na fotsy mavokely, indraindray somary mavokely rehefa antitra, sady lahy no vavy, ary tena manitra. Amin' ny ankapobeny dia mivondrona ao amin' ny vondrom-bony lavalava mipoitra avy eo am-poto-dravina na eny an-tendrom-rantsana izy ireo. Ny voniny dia manana vondron-dravimbony fohy misy sofiny dimy sy vondrom-pelambony miendrika fantsona miafara amin' ny felam-bony dimy matetika miolakolaka ho lasa bokotra (toetra mampiavaka ny fianakaviana Apocynaceae). Mipoitra ao anatin' ny vondrom-pelambony ny lahimbony dimy, ary ny vavimbony dia mipetraka eo ambony, izay lasa voa misy nofony malemy aty aoriana. Ny famony dia matetika mifandray amin' ny famindrana vovobony ataon' ny bibikely, indrindra ny bibikely mandeha amin' ny alina voasinton' ny hanitra.

Voan' ny Carissa spinarum
Voan' ny Carissa spinarum

Ny voan' ny Carissa spinarum dia nofosana, boribory na miendrika atody. Maitso izy ireo raha mbola manta, avy eo mivadika mena na volomparasy antitra, na volomparasy manopy mainty mihitsy aza, rehefa masaka. Ny nofony, izay be ranony, amin' ny ankapobeny, dia mamy na somary makirana kely, ary misy vihim-voa vitsivitsy (2 hatramin' ny 4). Ny voany dia azo hanina, na hanina eo no ho eo na voahodina, ary manana anjara toerana ara-tontolo iainana noho ny fiparitahan' ny amin' ny alalan' ny biby mihinana azy, indrindra fa ny vorona sy ny biby mampinono.

Fampiasa azy

[hanova | hanova ny fango]

Misy mampiasa ho fefy velona ny Carissa edulis. Loharano fakan' ny tantely mamim-bony ity zavamaniry ity. Azo atao haingon-tanàna koa izy io. Ampiasaina amin' ny sakafom-biby sy amin' ny fitsaboana any Afrika Afovoany sy Afrika Andrefana izy io. Ny voany azo hanina dia ampiasaina hanamboarana kaonfitiora sy vinaingitra. Izy io dia ampiasaina hampivoahana ny kankana an-tsinay na anaty vavony ao amin' ny olombelona na ao amn' ny biby, ampiasaina koa amin' ny fitsaboana ny tazomoka, hiadiana amin' ny fahasimban' ny nify, ny fivontosan' ny atoditarimo, ny aretim-bavony, ny sohika, ny aretin' ny taovam-pananahana ary ny tsy fahafahana manao firaisana ara-nofo, ary koa amin' ny fanamboarana toaka sy zenevra (zavapisotro misy alikôla).

Ny anarany

[hanova | hanova ny fango]

Arana ara-tsiansa

[hanova | hanova ny fango]

Ity lisitra manaraka ity dia manome ny anarana izay nametrahana ny Carissa spinarum tao amin' ny vondron-karazana Carissa. Ankoatra izany, dia nomena anarana isan-karazany koa izy io, tao amin' ny Antura sy Arduina (samy anarana iantsoana ny Carissa ankehitriny), ary koa Azima, Cabucala, Chapelieria, Damnacanthus, Strychnos, Carandas, ary Jasminonerium.

Anarana ao amin' ny Antura

[hanova | hanova ny fango]
  • Antura edulis Forssk.
  • Antura hadiensis J.F.Gmel.

Anarana ao amin' ny Arduina

[hanova | hanova ny fango]
  • Arduina brownii K.Schum.
  • Arduina campenonii Drake
  • Arduina edulis (Forssk.) Spreng.
  • Arduina inermis (Vahl) K.Schum.
  • Arduina laxiflora (Benth.) K.Schum.
  • Arduina xylopicron (Thouars) Baill.

Anarana ao amin' ny Azima

[hanova | hanova ny fango]
  • Azima pubescens Suess.

Anarana ao amin' ny Cabucala

[hanova | hanova ny fango]
  • Cabucala brachyantha Pichon

Anarana ao amin' ny Carandas

[hanova | hanova ny fango]
  • Carandas edulis (Forssk.) Hiern

Anarana ao amin' ny Carissa

[hanova | hanova ny fango]
  • Carissa abyssinica R.Br.
  • Carissa africana A.DC.
  • Carissa axillaris Roxb.
  • Carissa brownii F.Muell.
  • Carissa campenonii (Drake) Palacky
  • Carissa candolleana Jaub. & Spach
  • Carissa carandas var. congesta (Wight) Bedd.
  • Carissa carandas var. paucinervia (A.DC.) Bedd.
  • Carissa cochinchinensis Pierre ex Pit.
  • Carissa comorensis (Pichon) Markgr.
  • Carissa congesta Wight
  • Carissa coriacea Wall.
  • Carissa cornifolia Jaub. & Spach
  • Carissa dalzellii Bedd.
  • Carissa densiflora Baker
  • Carissa diffusa Roxb.
  • Carissa dulcis Schumach. & Thonn.
  • Carissa edulis (Forssk.) Vahl
  • Carissa hirsuta Roth
  • Carissa horrida Pichon
  • Carissa inermis Vahl
  • Carissa lanceolata R.Br.
  • Carissa laxiflora Benth.
  • Carissa macrophylla Wall.
  • Carissa madagascariensis Thouars ex Poir.
  • Carissa obovata Markgr.
  • Carissa oleoides Markgr.
  • Carissa ovata R.Br.
  • Carissa paucinervia A.DC.
  • Carissa pilosa Schinz
  • Carissa pubescens A.DC.
  • Carissa revoluta Scott-Elliot
  • Carissa richardiana Jaub. & Spach
  • Carissa scabra R.Br.
  • Carissa sechellensis Baker
  • Carissa septentrionalis
  • Carissa suavissima Bedd. ex Hook.f.
  • Carissa tomentosa A.Rich.
  • Carissa villosa Roxb.
  • Carissa xylopicron Thouars
  • Carissa yunnanensis Tsiang & P.T.Li

Anarana ao amin' ny Damnacanthus

[hanova | hanova ny fango]
  • Damnacanthus esquirolii H.Lév.

Anarana ao amin' ny Jasminonerium

[hanova | hanova ny fango]
  • Jasminonerium densiflorum (Baker) Kuntze
  • Jasminonerium edule (Forssk.) Kuntze
  • Jasminonerium inerme (Vahl) Kuntze
  • Jasminonerium laxiflorum (Benth.) Kuntze
  • Jasminonerium madagascariense (Thouars) Kuntze
  • Jasminonerium ovatum (R.Br.) Kuntze
  • Jasminonerium pubescens (A.DC.) Kuntze
  • Jasminonerium sechellense (Baker) Kuntze
  • Jasminonerium tomentosum (A.Rich.) Kuntze
  • Jasminonerium xylopicron (Thouars) Kuntze

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]