Capurodendron ankaranense
Ny natovavy, izay atao hoe Capurodendron ankaranense, dia karazana hazo ao amin' ny fianakaviana Sapotaceae, any amin' ny ilany avaratra sy avaratra-andrefan' i Madagasikara. Maniry voalohany indrindra amin' ny faritra trôpikaly manana fizaran-taona maina ity karazana ity[1].
Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny vondron-karazana Capurodendron izay misy an' io karazana io ary ahitana karazana miisa 50 mahery. Io no karazana faharoa lehibe indrindra eto amin' ny Nosy, aorian' ny Dypsis. raha ny tsy fahitana azy afa-tsy eto Madagasikara no heverna. Atahorana ho lany tamingana ny ankamaroan' ireo karazana ireo noho ny fitrandrahana hazo voafantina sy ny fandripahana ala be izay hita eto Madagasikara[2].
Nofariparitin' ilay bôtanista André Aubréville voalohany tamin' ny taona 1974 tao amin' ny Flore of Madagascar and the Comores ny Capurodendron ankaranense[1]. Nisy ny tapiany amin' ity zavamaniry ity nalaina avy any amin' ny faritra avaratra amin' Ankarana, eo anelanelan' Ambilobe sy Anivorano[3].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny zavamaniry hafa antsoina amin' ny teny malagasy hoe natovavy:
- Capurodendron (vondrona ao amin' ny fianakaviana Sapotaceae)
- Labramia (vondrona ao amin' ny fianakaviana Sapotaceae)
- Manilkara (vondrona ao amin' ny fianakaviana Sapotaceae)
- Mimusops (vondrona ao amin' ny fianakaviana Sapotaceae)
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ 1,0 et 1,1 Plants of the World Online, "Capurodendron ankaranense Aubrév.", powo.science.kew.org
- ↑ Aubréville, André. 1974. "Capurodendron". Flore de Madagascar et des Comores 164: 68-106,
- ↑ Tropicos, "Capurodendron ankaranense Aubrév.", www.tropicos.org