Hankany amin'ny vontoatiny

Capsicum frutescens

Avy amin'i Wikipedia
Capsicum frutescens 'Siling Labuyo' any Mindanao (Filipina)

Ny Capsicum frutescens dia karazana sakay ao amin' ny fianakaviana Solanaceae izay matetika maniry hoazy nefa ambolena koa hahazoana ny voany izay mafana indrindra. Ao amin' ny maridrefin' i Scoville izy dia eo amin' ny 30 000 ka hatramin' ny 50 000, izay ambaratonga 8 amin'ny 10. Mety ho zavamaniry isan-taona na maharitra mihoatra ny roa taona ny ovan-karazan' ny Capsicum frutescens. Ampiasaina amin' ny fanamboarana saosy Tabasco. ny ovan-karazana Capsicum frutescens tabasco. Manana fototarazo akaikin' ny an' ny sakay volena Capsicum chinense. Teratany any Amerika Afovoany sy any Amerika Atsimo ary any Meksika izy io.

Anarana amin' ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]
Capsicum frutescens

Amin' ny teny malagasy dia ireto ny anarana iantsoana ny Capsicum frutescens: malao, pilipilidia, rajakojakomena, sakaifatsinakoho, sakaifonakoho, sakaipilo, sikafo. Iantsana ny Capsicum frutescens sy ny Capsicum annuum ny hoe "pilipily" sy "pilopilo".

Famariparitna

[hanova | hanova ny fango]
Vonin' ny Capsicum frutescens 'Hidalgo'

Fotsy ny vonin' ny Capsicum frutescens, misy vondrom-pelambony fotsy manopy maitso na mavo manopy maitso. Iantohan' ny bibikely na tsy mila an' izany ny famindrana vovobony.

Matetika ny voany dia mitsangana sardy miendrika salavalava kitsoloha na miendrika lela lefona. Matetika izy ireo dia kely sy masiaka, mirefy 10–20 mm ny halavany ary 3–7 mm ny savaivony. Ireo voa ireo izay mazàna miloko mavo hatsatra dia lasa menamidorehitra rehefa masaka, nefa misy koa ny manana loko hafa.

Ny Capsicum frutescens dia manana ovan-karazana vitsy kokoa raha mitaha amin' ny karazana Capsicum hafa. Ity karazana ity dia nokarakaraina mba hamokatra ovan-karazana fanao haingo.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Fampiasana azy amin' ny sakafo

[hanova | hanova ny fango]
Capsicum frutescens 'Tabasco'

Amin' ny lafiny nahandro dia ampiasaina ho fanatsarana tsiron-tsakafo noho ny siakany ny voan' ny Capsicum frutescens, nefa tsy atao betsaka. Na eo aza izany dia voafetra ny fampiasan' ny Malagasy azy amin' ny sakafo.

Fampiasana azy ho an' ny fahasalaman' ombelona

[hanova | hanova ny fango]
Voan-tsakay Capsicum frutescens mbola manta

Ampiasaina ety ivelany (tsy hanina) ny Capsicum frutescens mba hampihenana ny fanaintainana vokatry ny rohana (rhumatisme) sy ny fanaintainan' ny lalan-kozatra (névralgie) ary ny fanaintainan' ny hazondamosina ambany (lumbago). Atao fesana (petakilasy) na ahosotra ko izy io. Ny ravin' ity sakay ity, noho izy io mampihena antonony ny fahatsapana fanaintainana, dia itsaboana ny vaivonto.

Raha hanina amin' ny fatra antonony izy io dia manaitaitra ny fiasan' ny vavony sy ny fandevonan-kanina ny fihinanana azy . Izy io koa dia ampiasaina amin' ny aretina sasany mahazo ny tsinay (aretin' ny tsinaibe (colite), fiketrahana). Manana fiasa antibiôtika izy io (misakana ny fitombon' ny otrikaretina). Mampitombo ny hantsembohana sy mampitombo ny habetsahan' ny amany. Ahitana vitamina C sy karôtenôida izy io. Mampievina koa ny sakay ary manatsara ny torimaso.

Fampiasana azy ho an' ny fahasalaman' ny biby

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fitsaboana biby dia misongadina ny fahombiazan' ny voany voatoto atao tamin' ny lelan' ny akoho voan' ny tsikehina (difteria) ka mampihena be ny fahafatesana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]