Hankany amin'ny vontoatiny

Capsicum chinense

Avy amin'i Wikipedia
Voa sy vonin' ny Capsicum chinense

Ny Capsicum chinense dia karazana sakay ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Io sakay io dia ambolena hahazoany ny voany tena mafana. Atao hoe tsilanidimilahy izy io amin' ny teny malagasy.

Voan' ny Capsicum chinense

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]

Maitso ny voan' ny sakay tsy matoy, ary misy loko hafa rehefa matoy. Ny loko mahazatra indrindra dia volomboasary sy ny mena, nefa mety ho fotsy, volontany, mavo, maitso, na volomparasy koa izany. Amin' ny ankapobeny, ny habanero masaka dia manana halava mirefy 2–6 sm.

Voan' ny Capsicum chinense miloko

Mafana be ity sakay ity, na dia ho an' ny olona tia sakay aza: amin' ny maridrefin' i Scoville dia eo amin' ny 100 000 hatramin' ny 577 000 ny siakan' ny ovan-karazana sasany. Ny indray mitete amin' ity sakay ity dia ampy handoro ny molotra sy ny lela. Miseho eo amin' ny rantsan-tanana tsy voaaro ny may mahery vaika ora vitsivitsy aorian' ny fikirakirana azy. Ny fikirakirana azy koa dia matetika manelingelina ny taovam-pisefoana sy miteraka etona mandatsa-dranomaso.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Any Frantsa izy io dia ambolena hatao haingo haingo. Any Antilia sy ao Kômôro izy dia be mpihinana: tetehina madinika, ahosotra amin' ny zavatra hohaninafa tsy hanina mivantana. Ny fofony dia mahazatra amin' ny nahandro any Antilia. Eto Madagasikara dia be mpitia ihany koa izy io ho fanampin-tsakafo, na manta na natao misy ranony, ary hanina miaraka amin' ny vary sy laoka. Any Meksika dia ampiasaina amin' ny fanaboarana mezcal sy tequila (samy toaka vita amin' ny karazana taretra Agave tequilana) izy io.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]