Hankany amin'ny vontoatiny

Capsicum annuum

Avy amin'i Wikipedia
Sakaibe sy sakay ao amin' ny karazana Capsicum annuum

Ny Capsicum annuum dia karazan-javamaniry roa ravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Solanaceae, teratany any amin' ny faritra manomboka any Kôlômbia ka hatrany amin' ny faritra atsimo amin' i Etazonia. Amin' ny teny malagasy dia maro samihafa arakaraka ny fitenim-paritra na ny ovan-karazana ity zavamaniry ity: pilipily sy pilopilo ary sakaibe, arakaraka ny habeny. Azo anondroana ny Capsicum frutescens koa anefa ny hoe pilipily na pilopilo.

Ovan-karazana tsy tena mafana ao amin' ny Capsicum annuum ny sakaibe. Ny Capsicum annuum no karazana ao amin' ny vondron-karazana Capsicum be mpamboly indrindra eran-tany, indrindra mba hahazoana voany, izay ampiasaina ho legioma na ho fanatsarana tsiron-tsakafo (ny sakaibe rehetra sy sakay maro), ary indraindray hatao haingo. Be kapsaisinôida, karôtenôida, haro fenôlika, ary vitaminina C sy A, ny voan' ity karazana ity, izay misy fampiharana indostrialy maro vinavinaina hanamboarana fanampin-tsakafo mametra ny fiabon' ny ôksizenia, mamono mikrôba sy viriosy, fanafody mampihena fanaintainana sy firehetana, iadiana amin' ny holatra, vokatra manatsara ny endrika ivelan' ny vatana.

Ovan-karazana sy vondrona

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny ovan-karazana sy ny vondrona ao amin' ny Capsicum annuum:

  • C. annuum var. annuum
  • C. annuum var. glabriusculum
  • C. annuum var. grossum
  • C. annuum var. longum
  • C. annuum var. longum grossum
  • C. annuum var. lycopersiciforme rubrum
  • Capsicum annuum var. bola (aka var. ñora)
  • Capsicum annuum 'New Mexico Group'

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]