Capparis spinosa

Ny Capparis spinosa dia karazana hazobotry maniry any amin' ny faritra manodidjna an' i Mediteranea ao amn' ny fianakaviana Capparaceae. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe basy na katra. Zavamaniry mafy be sy mora maniry amin' ny tany tsy lonaka sy be vato izy io. Hita maniry anelanelan' ny vato amin' ny rindrina tranainy ity zavamaniry ity mbola tanora. Tsy maharitra mihoatra ny andro iray ny voniny lehibe sy mamerovero.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Hazobotry misy rantsana lava, mikirozaroza, volondavenona ny Capparis spinosa, mahatratra iray metatra na mihoatra ny halavany.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Mifandimby, feno, tsotra, boribory na mibikan' atody, matevina, maitso volondavenona ny ravin' ny Capparis spinosa izay misy tsilo mifaingoka eo amin' ny fotony.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Mipoitra eo am-pototry ny tangozan-dravina ary manana tangozany lava sy matevina ny voniny fotsy na indraindray mavokely, ary 50 hatramin' ny 70 mm ny halavany. Miisa efatra ny ravimbony mibikan' atody sy maitso, ary efatra ohany koa sy felambony mavokely somary mibikan' atod sady lehibe, ary lava ny lahimbony volomparasy maro izay mivoaka any ivelan' ny vondrom-pelambony.
Voa
[hanova | hanova ny fango]
Miendrika atody, lehibe sy nofosana, hatramin' ny 50 mm ny halavany, entin' ny tangozany lava ny voan' ny Capparis spinosa.
Tsinjara toerana
[hanova | hanova ny fango]Ny Capparis spinosa dia fahita any amin' ny faritra manodidina an' i Mediteranea, ary hita koa avy any amin' ny morontsirak' i Atlantika ao amin' ny Vondronosy Canarias sy Marôka ka hatrany amin' ny Ranomasina Mainty any Krimea sy Armenia, ary hatrany amin' ny Ranomasina Kaspiana any Iràna. Maniry any Afrika Avaratra, any Afrika Atsinanana, any Eorôpa mediteraneana, ary any Azia Andrefana izy io. Nentina any amin' ny firenena maro manana toetany mediteraneana toa an' i California (Etazonia) sy Aostralia izy io ary lasa maniry hoazy.
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny zana-karazan' ny Capparis spinosa:
- Capparis spinosa var spinosa
- Capparis spinosa var inermis
- Capparis spinosa subsp. rupestris
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Sakafo
[hanova | hanova ny fango]
Ambolena ny ny Capparis spinosa mba hahazoana ny felany mbola tsy misokatra, izay alona anaty vinaingitra hahazoana zavatra fanatsarana tsiron-tsakafo ao amin'ny nahandro mediteraneana (Kipra sy Italia). Ampiasaina amin' ny fandrahoan-tsakafo koa ny voany.
Fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina ho fampihenana fanaintainana, hitsaboana aretina amin' ny vavony sy tsinay, ary ho fampamaniana ny hoditry ny ny Capparis spinosa. Alaina amin' ny fararano sy hamainina hampiasaina any aoriana ny hodiny. Ampiasaina hanafangana ny fiasan' ny tsinay sy hanentanana ny fahazotoan-komana ny voniny mbola tsy vaky. Ampiasaina ety ivelan' ny vatana koa ity zavamaniry ity amin' ny fitsaboana ny areti-maso sy ho fisorohana ny katarakta. Ampiasaina ety ivelany mba hitsaboana ny kaikitry ny bibikely sy ny mangidihidy amin' ny hoditra ny raviny nahorona sy nohamandoina amin' ny rano kely na nokosehina.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Katra (teny mitovy endrika): Caesalpinia bonduc, Capparis spinosa