Cannabis indica

Ny Cannabis. indica dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cannabaceae, karazana rongony (Cannabis), teratany any Azia Afovoany. Misy ny manampahaizana mihevitra azy io ho zana-karazan' ny Cannabis sativa (Cannabis sativa subsp. indica). Zavamaniry isan-taona izy io, izay avy any amin' ny faritra be tendrombohitra any amin' ny ftandavan-tendrombohitra Hindu Kush (Afganistana, Pakistana, avaratr' i India). Ity karazana ity dia mifanaraka tsara amin' ny toetanin-tanibe sy somary maina amin' ny faritra niaviany, izay misy rotsak' orana ambany sy fahavaratra tena mafana ary ririnina mangatsiaka.
Ity karazana ity dia fantatra amin' ny fitaboana, indrindra fa ny fahabetsaahan' ny fanabidiôla (CBD) ao aminy. Amin' ny fepetra sasany, indrindra any Frantsa (THC < 0,3 %), ny fivarotana ny vokatra azo avy aminy dia nahazo alalana raha ampiasaina ho an' ny fahasalamana rehefa voarara nandritra ny am-polony taona maro. Izy io dia volena be any Sina, any India, any Nepaly, any Tailandy, any Afganistana ary any Pakistana, ary koa any faritra atsimo sy andrefana amin' i Afrika.
Ireto ny anarany amin' ny teny malagasy: ahitsandriana, angafo, beanjia, djamala, faneserena, jamala, katrina, manesetsa, maosy, mosy, rongonivavy[1].