Hankany amin'ny vontoatiny

Rongony

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Cannabis)
Rongony (Cannabis sativa)

Ny rongony dia vondron-karazan-javamaniry mamony, maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Cannabaceae, teratany any Azia Afovoany sy Atsimo. Cannabis ny anarany ara-tsiansa. Vitsy ihany ny karazana, nefa iadiana hevitra ny tena isany; telo fara-fahamarony.

Ny karazana rongony sasany dia trandrahina amin' ny fomba indostrialy noho ny hatsaran' ny tsiraka azo avy aminy sy noho izy matetika tsy ahitana akora mahadomelina firy, fa ny rongony natao ho fialamboly ny fampiasana azy na ampiasaina ho fanafody dia ahitana akora mahadomelina.

Jamala (Cannabis indica)

Maro ny taranaka rongony no noforonin' ny olombelona amin' ny alalan' ny fampivadiana zana-karazana samihafa, na amin' ny alalan' ny fifantenana, na amin' ny alalan' ny fanaovana tsatoboly ahafahana mamokatra zavamaniry mitovy. Fantenana arakaraka ny fampiasana izay tiana hatao aminy ilay zavamaniry: ny hatsaran' ny tsiraka, ny habetsahan' ny menaka avy amin' ny voany, ny habetsahana na ny hakelin' ny singa mahadomelina ao aminy eo amin' ny tontolon' ny fitsaboana na fialamboly.

Nampiasaina betsaka ny rongony nandritra ny tantarany. Efa teo amin' ny olombelona hatramin' ny Neôlitika izy io. Nofehezina tsikelikely amin' ny alalan' ny didy aman-dalàna anefa ny fampiasana azy io ary voarara mihitsy aza nandritra ny taonjato faha-20, noho ny fiantraikany teo amin' ny fahasalamana na noho ny antony ara-pôlitika (toy ny poritanisma tany Etazonia). Nitombo indray ny fambolena rongony tamin' ny taompolo 1970, niaraka amin' ny fiakaran' ny vidin' ny solitany sy notohanan' ny fitombon' ny tsena vaovao azo ivarotana azy ary noho ny fanentanana momba ny tontolo iainana. Manana velaran-tany 47 000 hektara novolena tamin' ny taona 2017 i Marôka izay mpamokatra rongony be indrindra eran-tany, eo alohan' i Môngôlia (15 000 hektara).

Rongonidia (Cannabis ruderalis)

Heverina ho zava-mahadomelina "malefaka" ny rongony fialamboly satria tsy azo atao ny mampakatra ambonin' ny antonony ny singa mahadomelina ao aminy. Na izany aza dia mety hiteraka fiankinan-doha ara-tsaina ny rongony, fa tsy fiankinan-doha ara-batana toy ny hita amin' ny zava-mahadomelina lazaina fa "mahery". Nasehon' ny fanadihadiana maro ihany koa fa mety hampitombo ny fisian' ny fikorontanan-tsaina ny fampiaasn' ny tanora rongony tsy tapaka.

Ankehitriny dia nahazo alalana ny fampiasana ny rongony fialamboly any amin' ny fanjakana maro any Etazonia, ary koa any Orogoay sy any Kanada, izay firenena ao amin' ny G7 voalohany nanao ho ara-dalàna ny fampiasana rongony (fifohana, fitsindromana, sns) tamin' ny volana Jona 2018. Araka ny filazan' ny Biraon' ny Firenena Mikambana miady amin' ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava dia olona 180 tapitrisa no nampiasa rongony fialamboly, fara fahakeliny, indray mandeha, tamin' ny taona 2017.

Ny fanasokajiana an' ity vondron-karazana ity dia mbola iadian-kevitra. Araka ny filazan' ny ankamaroan' ny mpanoratra dia misy karazana tokana izy io, dia:

Ny manam-pahaizana hafa kosa mihevitra fa endrika samihafa isehoany fotsiny izany: ny Cannabis ruderalis dia azo ampidirina ao anatin' ny Cannabis sativa, na izy telo ireo dia azo raisina ho toy ny zana-karazana ao amin' ny Cannabis sativa, na ny Cannabis sativa irery no ekena ho karazana tokana tsy voazara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]