Cannabaceae

Ny Cannabaceae dia fianakavian-javamaniry kely, mamony, roa ravintsimoka ao amin' ny filaharana Rosales. Taloha, ny anarany koa dia nosoratana hoe Cannabinaceae, Cannabidaceae, na Cannabiaceae. Amin' izao fotoana izao, ity fianakaviana ity dia ahitana karazana 170 eo ho eo mitsinjara ao amin' ny vondron-karazana 11, anisan' izany ny Cannabis (rongony) sy ny Humulus ary ny Celtis. Ny Celtis no vondron-karazana lehibe indrindra, misy karazana 100 eo ho eo. Ny mpikambana ao amin' ilay fianakaviana dia zavamaniry mitsangana na mianika, manana voniny tsy misy felambony sy voany maina misy vihy iray. Ny Cannabis (rongony) sy Humulus no karazana manan-danja indrindra ara-toekarena.

Ankoatra ny fitovian' ny fiavian' izy ireo teo amin' ny evôlisiôna, dia vitsy ny toetra itovian' ny mpikambana ao amin' ilay fianakaviana; ny sasany dia hazo (ohatra: ny Celtis), ny hafa dia zavamaniry ahitra (oh: ny Cannabis).
Karazana
[hanova | hanova ny fango]
Ny Cannabaceae dia ahitana ireto vondron-karazana manaraka ireto:
- Aphananthe Planch. (5 spp.)
- Cannabis (3 spp.)
- Celtis L. (73–109 spp.)
- Chaetachme Planch. (1 sp.)
- Gironniera Gaudich. (6 spp.)
- Humulus L. (3 spp.)
- Lozanella Greenm. (2 spp.)
- Parasponia Miq. (5–10 spp.)
- Pteroceltis Maxim. (1 sp.)
- Trema Lour. (12–42 spp.)
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Fianakavian-javamaniry hafa: