Canna indica

Ny Canna indica dia karazana zavamaniry ahitra mamony ao amin' ny fianakaviana Cannaceae. ao amin' ny filaharana Zingiberales (havan-davitry ny sakamalao sy ny tamotamo). Atao hoe ambaradeda ny anarany amin' ny teny malagasy. Ity zavamaniry ity dia teratany any Amerika trôpikaly, indrindra fa any Karaiba. Niely patrana nanerana ny faritra trôpikaly izy io, izay ahafahany maniry maniry hoazy. Hitan' ny arkeôlôgy fa nambolena tany Peroa 4 500 taona lasa izay ny ambaradeda.
Maniry isan-taona aty amin' ny faritra trôpikaly ny Canna indica, mety mahatratra eo anelanelan' ny 0,5 m sy 2,5 m ny haavony. Mitovy amin' ny an' ny akondro ny raviny mivelatra. Be sakana sy maitso na volomparasy-maitso, misy tangozan-dravina fohy ary manana endrika salavalava ireo ravina ireo. Mety mirefy 30 hatramin' ny 60 sm ny lavany ary 10 hatramin' ny 25 sm ny sakany.


Ny voniny dia sady lahy no vavy ary miseho manomboka amin' ny Jolay ka hatramin' ny filatsahan' ny fanala voalohany. Mety ho mena, mavo na volomboasary izy ireo. Ny voany dia boribory misy mivotrovotro maro, mirefy 1,5 hatramin' ny 3 sm, miloko manja rehefa masaka, misy vihiny 15 eo ho eo, izay mitovy habe amin' ny pitipoà, sy miendrika baolina mainty mangirana ary makitroka be (milentika anaty rano) ary mafy be.