Hankany amin'ny vontoatiny

Canidae

Avy amin'i Wikipedia
Caninae

Ny Canidae dia fianakaviam-biby mampinono ao amin' ny lamina Carnivora,niacian' ny anaran' ny sampana Caniformes, ary anisan' izany ny lopa sy ny alika ary ny amboahaolo.

Hesperocyon na Cynodictis (Hesperocyoninae)

Hita any amin' ny kôntinanta rehetra afa-tsy i Antarktika ny Canidae, izay nahatongavany amin' ny fomba tsy miankina na niaraka tamin' ny olombelona tamin' ny fotoana maharitra. Ny haben' ny karazana ao amin' io fianakaviana io dia miovaova, manomboka amin' ny lopa volondavenona mirefy 2 m ka hatramin' ny feneka 24 sm.

Mitovitovy ny endrik' ny tenan' ny Canidae rehetra, amin' ny ankapobeny dia manana sofina mitsangana, orona lava miaraka amin' ny vangy mivelatra ary ny vazana maro, azo ampiasaina amin' ny fanapahana taolana sy ny nofo, ny tongotra lava, hoho tsy afaka miforitra (tsy toy ny Felidae: saka, tigra, sns), ary rambony feno volo matevina.

Biby miara-miaina ny ankamaroan' ny Canidae, miara-mipetraka ao amin' ny fianakaviana na vondrona kely ary miara-miasa. Amin' ny ankapobeny, ny mpivady nanjakazaka ao amin' ny vondrona iray ihany no miteraka ary zanany maromaro no tezaina isan-taona ao anaty lavaka ambanin' ny tany. Ny Canidae dia mifandray amin' ny alalan' ny famantarana ny fofona sy ny feo.

Ny alika, na ao an-trano na any anaty ala (dingô sns), dia taranaky ny lopa volondavenona (lopa tamin' ny Pleistôsena, alika tamin' ny Paleôlitika), vokatry ny famolahana azy ireo ho tamana nataon' ny olombelona nandritra ny Paleôlitika Ambony ary mijanona ho biby fiompy be mpitia indrindra ankehitriny.

Zana-pianakaviana sy vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Zana-pianakaviana

[hanova | hanova ny fango]
Aelurodon stirtoni (Borophaginae)

Indreto ny zana-pianakaviana:

  • Caninae (ny karazana mbola misy ankehitriny)
  • Borophaginae (lany talingana)
  • Hesperocyoninae (lany talingana)

Vondron-karazana sy karazana ankehitriny

[hanova | hanova ny fango]

Ny fianakaviana Canidae dia ahitana vondron-karazana 13 ary karazana velona 37 farafahakeliny. Inty ny lisitry ny karazana ankehitriny araka ny Mammal Diversity Database (5 Aogositra 2025):

  • Atelocynus :
    • Atelocynus microtis (Chien des buissons aux oreilles courtes)
  • Canis :
    • Canis anthus (Loup doré)
    • Canis aureus (Chacal doré)
    • Canis latrans (Coyote)
    • Canis lupus (Loup, chien, dingo)
    • Canis simensis (Loup d'Abyssinie ou Cabéru)
  • Cerdocyon :
    • Cerdocyon thous (Renard crabier ou Maikong)
  • Chrysocyon :
    • Chrysocyon brachyurus (Loup à crinière)
  • Cuon :
    • Cuon alpinus (Dhole)
  • Dusicyon
    • Dusicyon australis † (Loup des Malouines)
  • Lycalopex :
    • Lycalopex culpaeus (Culpeau ou Renard de Magellan)
    • Lycalopex fulvipes (Renard de Darwin)
    • Lycalopex griseus (Renard gris d'Argentine)
    • Lycalopex gymnocercus (Renard d'Aszara)
    • Lycalopex sechurae (Renard du désert austral)
    • Lycalopex vetulus (Renard chenu)
  • Lupulella :
    • Lupulella adusta (Chacal à flancs rayés)
    • Lupulella mesomelas (Chacal à chabraque)
  • Lycaon :
    • Lycaon pictus (Lycaon)
  • Nyctereutes (Chiens viverrins ou Tanukis) :
    • Nyctereutes procyonoides (Tanuki de Chine)
    • Nyctereutes viverrinus (Tanuki du Japon)
  • Otocyon :
    • Otocyon megalotis (Otocyon ou Renard à oreilles de chauve-souris)
  • Speothos :
    • Speothos venaticus (Chien des buissons)
  • Urocyon :
    • Urocyon cinereoargenteus (Renard gris d'Amérique)
    • Urocyon littoralis (Renard gris insulaire)
  • Vulpes :
    • Vulpes bengalensis (Renard du Bengale)
    • Vulpes cana (Renard de Blanford)
    • Vulpes chama (Renard du Cap)
    • Vulpes corsac (Renard corsac)
    • Vulpes ferrilata (Renard du Tibet)
    • Vulpes lagopus (Renard arctique ou Isatis)
    • Vulpes macrotis (Renard nain)
    • Vulpes pallida (Renard pâle)
    • Vulpes rueppellii (Renard de Rüppell)
    • Vulpes velox (Renard véloce)
    • Vulpes vulpes (Renard roux)
    • Vulpes zerda (Fennec)


Ny karazana rehetra amin' izao fotoana izao dia anisan' ny zaba-pianakaviana Caninae.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]