Campi Flegrei

I Campi Flegrei dia sahan' afotroa (na kaldeira) ngeza ao avaratra-andrefan' i Napoli any Italia, ao amin' ny Hoalan' i Pozzuoli. Anisan' ny afotroa mahery vaika indrindra eran-tany ny afotroa ao aminy.
Amin' ny teny italiana izy dia atao hoe Campi Flegrei [ˈkampi fleˈɡrɛi]; amin' ny teny napôlitana dia Campe Flegree; amin' ny teny latina dia Phlegraei campi; ary amin' ny teny grika taloha dia Φλεγραία Πεδία [pleˈɡraɪa peˈdiaː], izay midika hoe "saha mandoro".
Toerana misy azy
[hanova | hanova ny fango]Eo amoron' ny Hoalan' i Pozzuoli, any avaratra-andrefan' ny Helodranon' i Napoli, any Campania, Italia, ny faritra misy an' i Campi Flegrei, any amin' ny 9 km any andrefan' ny tanànan' i Napoli. Ankehitriny, ao anatin' io faritra io ny tanànan' i Pozzuoli sy i Cumae. Maherin' ny 500 000 ny olona mipetraka ao anatin' io faritry ny sahan' fotroa io, ary efa ho 1,5 tapitrisa ny olona mipetraka eo amboniny na eo akaikiny.
Tôpôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Niforona nandritra ny fipoahana roa lehibe, 36 000 sy 14 000 taona lasa izay i Campi Flegrei. Mampiavaka an' io faritra io ny fisian' ny lonjon' afotroa sy vavan' afotroa marobe, ary koa ny fisehoan-javatra mafana toy ny loharano mafana sy ny etona mivoaka avy ao. Mbola hita any amin' ny tapany avaratra ny sisin' ilay kaldeira, fa safotry ny rano ao amin' ny Hoalan' i Pozzuoli kosa ny tapany atsimo, na dia mbola ao amin' ny tanjon' i Miseno aza i Monte di Procida.
Ao anatin' io sahan' afotroa io dia ahitana sehon-dranomafana maro isan-karazany ny vava volokanon' i Solfatara, anisan' izany ny etona sy ny fotaka miboiboika. Maro ny lonjom-bato hirihina sy ny faribolam-bato hirihina (atao hoe tufo) hita ao anatin' ilay kaldeira, anisan' izany i Astroni, ny tendrombohitra Barbaro (antsoina koa hoe Monte Gauro), i Picarelli, ny lonjon' ny tanjona Miseno, ny lonjon' ny nosy Nisidia, ny faribolan' i Bacoli, ary ny vavan' afotroan' ny farihy Averno.