Hankany amin'ny vontoatiny

Camphora officinarum

Avy amin'i Wikipedia
Ravina sy voan' ny ravintsara

Ny Camphora officinarum na Cinnamomum camphora dia hazo maitso ravina sy tsy mihintsan-dravina, ao amin' ny fianakaviana Lauraceae, maniry mandavan-taona, mahatratra halava anelanelan' ny 15 sy 25 m, mafy ravina, izay ahazoana menaka fanao fanafody ny fitanehana sy ny fitsihana azy. Ny anarany amin' ny teny malagasy dia ravintsara, nefa tsy io ihany ny zavamaniry antsoina amin' io anarana io. Amin' ny ankapobeny dia miendrika atody ny raviny izay mirefy 10 sm eo ho eo, izy mamoaka fofona mahery raha hosena amin' ny tanana na amin-javatra hafa. Be nofony ny voany izay boribory miloko manga matroka na mainty rehefa masaka. Zavamaniry avy any Sina sy Taioana ary Japàna ny Cinnamomum camphora nefa afaka maniry amin' ny faritra samihafa amin' ny kôntinenta hafa, anisan' izany ny eto Madagasikara.

Raviny sy voany
Hazo ravintsaraao Tampon (nosy any La Réunion).

Volena ho haingon-tanàna ny ravintsara noho ny raviny maitso lalandava, volena milahatra eny an-tsisin' arabe na eny afovoany any amin' ny tany manana toetany mafana.

Raviny sy voany

Ny menaka azo avy amin' ny ravin' ny Cinnamomum camphora volena aty Madagasikara, izay tondroina amin' ny anarana hoe "ravintsara" ihany koa, dia heverina ho fanafody mamono virosy sy mampifoha ny hery fiarovana ary fitsaboana amin' ny tsy fahazoana torimaso vokatry ny harerahana, ny tsy fahazotoa-misakafo, ny tsy fifantohana, ny fahamorà-malahelo, sns. Itsaboana ny aretin' ny fisefoana sy ny aretin' ny hoditra vokatry ny virosy koa io zavamaniry io.

Ny vatan' ny Cinnamomum camphora, izay manana fofona maharitra mandavan-taona, dia halan' ny bibikely, anisan' izany ny lolo mpanimba lamba. Izany no antony andrafetana ny vata hitondrana lasoà na volom-biby hatao fitafiana amin' ny hazon' ny Cinnamomum camphora.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]