Hankany amin'ny vontoatiny

Camellia sinensis

Avy amin'i Wikipedia
Ravin-dite
Voan-dite maina

Ny Camellia sinensis dia karazana hazo madinika ao amin' ny fianakaviana Theaceae. Any Atsinanana Indrindra no fiaviany. Camellia sinensis Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe dite na ditevazaha. Volena be dia be izy mba hahazoana raviny izay hamainina hanaovana zavapisotro amin' ny alalan' ny fitanehana azy. Atao hoe dite ihany koa ilay zavapisotro azo avy aminy.

Vonin-dite

Ny dite fotsy, ny dite mavo, ny dite maitso, ny oolong, ny dite maizina (anisany ny dite pu-erh) ary ny dite mainty dia samy alaina avy amin' ny iray amin' ny ovan-karazany roa lehibe ambolena ankehitriny, ny Camellia sinensis var. sinensis sy ny Camellia sinensis var. assamica, saingy hafa ny fikarakarana azy mba hahatratrarana haavom-pisian' ôksida isan-karazany, ka ny dite mainty no be ôksida indrindra fa ny dite fotsy no kely ôksida indrindra. Azo avy amin' ny C. sinensis ihany koa ny kukicha (dite vita amin' ny sampany madinika), saingy mampiasa rantsany sy tahony fa tsy ny raviny.

Voan-dite lena

I Sina, arahin' i India, i Kenia, i Srilanka, Vietnamy ary i Torkia, no firenena mpamokatra dite lehibe. Any Azia indrindra no ahitana ny famokarana dite (83,4 %), ny aty Afrika dia miantoka ny 12,3 % amin' ny famokarana dite eran-tany, i Amerika mamokatra 2,2 %, i Eorôpa 1,9 % ary i Ôseania 0,2 %.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]